⭕ Eny amin'ny fiaraha-monina iainantsika eny dia mahita isika karazam-piainan'olona (Tafiditra ao anatin'izay io fiainanao io), mahita isika eny fa misy ny olona :
✔️ Tena mifofotra miasa mafy ary dia manan-karena.
✔️ Misy ihany koa ireo izay tsy misasatra firy nefa dia manana ny ampy.
✔️ Misy ihany ko ireo izay efa tena manao ny ainy tsy ho zavatra nefa dia mahantra sy sahirana eny foana ihany.
✔️ Ao ny manampahaizana be miaraka amin'ny "Diplôme plus plus" fa dia sahirana eny ihany.
✔️ Ao ndray nefa ny olona izay tena tsy nandia fianarana, tsy mahay momban'ny fitantanana fa dia miraraka ivy ianao mijery ny harenany.
✔️ Misy ndray ireo manankarena tampoka amin'ny ora tsy ampoizina hoe nanao inona, misy koa ny nahantra tampoka teo tsy fantatra hoe nanakory
(Tsy resahantsika ny mangalatra eto)
NAHAONA NO MISY OLONA NANANKARENA NY RAY AMANDRENINY, FA NAHANTRA TAMPOKA IZY AVY EO ?
NAHAOANA KOSA NO MISY TENA NAHANTRA NY RAY AMANDRENINY FA NANANKARENA TAMPOKA IZY AVY EO ?
➡️ Marobe ny valin'ireo, ary samy manana ny heviny ny tsirairay (Ao ohatra ny hoe : Jehovah no mpiandry ahy, tsy ananjava-mahaory aho !!; eo koa ny hoe : Izay miketrika ihany no tafa !!), MARINA IREO, fa ny eto amin'ny Tsiambaratelom-piainana kosa dia mandroso ny hoe :
⭕ Manomboka eo amin'ny fahaterahana ka hatramin'ny fahafatesan'ny olona iray, dia efa mipetraka ny VINTANA sy ny ANJARA ary ny LAHATRA sy TENDRY, Arak'izany dia misy ny olona manana ny "Vintana, Anjara, Lahatra, Tendry" EFA TSARA HATRANY AMBOALOHANY, na VAO NARENINA ka ambin-karena eny foana izy ireo, ary ao ireo manana ny "Vintana, Anjara, Lahatra, Tendry" EFA RATSY HATRANY AMBOALOHANY na VAO NISY NANOTO nohon'ny antony maro (Ohatra : Ratsy andro nahaterahana, Ozona,...), ka lasa tsy MAHOMBY amin'izay atao rehetra NA HO KETREHANY HATRAMIN'NY ATIDOHANY eo aza !! ilaina ny fijerena ireo;

Misy amin'ireo HERY 4 voalaza ireo no azo ovaina sy arenina, misy kosa ny tsy azo (Efa misy fanazavana momban'io ato amin'ny pejy, raha mahaliana anao : https://www.facebook.com/tsiambaratelompiainana/photos/a.1403343029762121.1073741828.1399029243526833/1581004415329314/?type=3&theater).
NOHO IZANY :
TOKONY TSY MISY OLONA NATERAKA HAHANTRA IZANY, fa iaina ampiadanana no nametrahan'ilay NAHARY antsika eto, fa ny sasany amin-tsika no varina ao anaty fahantrana ao, ka tsy mahita ny lalam-pahombiazana eo ambanin'ny masotsika, ao ihany koa ireo VOASOMPATRA ny hafa ka tsy tafarina.
TOROHEVITRA 7 omen'ny pejy :
1 - Vao mifoha ny maraina dia Mivavaha : mandohalia, akipio ny maso dia miandrandrà ny lanitra, sokafana ny tanana fa tsy akombona (Tsy misy mpangataka manidy tanana zany fa tsy maintsy sokafana raha te ahazo), Misaora sy Mangataha amin'ny MPAHARY. Matoa ianao mbola nomeny maraina vaovao indray, dia mbola tiny ahazo tombony ianao.
2 - Diovy ny vatanao, farafaharatsiny na dia isa-maraina fotsiny ihany aza (Tsy misasa fotsiny fa mandro (Araraka manomboka any antampondoha ny rano madio hikoriana amin'ny vatana rehetra )), rehefa madio ny vatana dia madio ho azy ny Fanahy.
3 - Miramirana foana fa aza mora sosotra, mampiditra Fanahy maloto ao anatinao ny fahasosorana sy fahatezerana, ka androaka ny soa tokony hiroso aminao. Ialaho lavitra izay zavatra mety anome fahasorenana sy tsy fahombiazana (Olona, zavatra, ...).
4 - Tsy misy asa ratsy, ny fanajanao azy no ilaina, rehefa ataonao amin'ny fo io asanao io na inona na inona sokajiny, dia mampahomby anao foana. (Aoka nefa tsy angalatra)
5 - Ankasitrao ny MPAHARY isakin'ny misy zavatra azonao, fa ho itanao fa tsy hitsahatra ny anome anao izy.
6 - Rehefa tonga ny alina dia aza adino indray no mivavaka amin'ilay NAHARY : Misaotra, mankasitraka, ary mangataka mba hiveloman'ny aina indray, ka ho todisoa ny ampitso.
7 - Farany mameno fito azy nefa tena zava-dehibe : Fantaro ny VINTANAO (sy ny olona miaraka aminao raha misy), fa sao dia tokony ho Arenina mba ahalavorary izay kasaina, sy izay ahasoa.
➡️ RAHA EFA ILAY MANANA IANAO : Misaora an'ilay NAHARY tamin'ny fahasoavana nomeny anao, matoa ianao nomena dia natao ijery ny sahirana sy ny tsy manana, fa tsy sanatria natao hirehareha.
(Alainy eo indray ireo harena ireo vao ho gaga eo ianao)
➡️ RAHA TOA KOSA IANAO KA MBOLA MIAINA @ FAHASAHIRANANA : HIPOSAKA AMINAO ANIE NY MASOANDROM-PIFALIANA, ary aza manahy fa tsy ho ela dia HO AVY ILAY MARAINA.
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
---------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo, tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
https://web.facebook.com/tsiambaratelompiainana
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)