Samy manana ny heviny ny olona raha ny momban'ny ODY RATSY sy ny MOSAVY, ao ny milaza fa TENA MISY ary ao kosa no milaza fa TSIA. Ny azo ambara dia hoe :
- Rehefa mbola tsy voa ianao na ny manodidina anao dia tsy mino ny fisiany ianao mazava ho azy.
- Rehefa sanatria voany na tratrany kosa dia izay vao manaiky fa ay tena misy marina.
Noho izany dia tsy omena tsiny ny olona izay milaza ny tsy fisiany, ho an'izay mbola tsy voa moa matetika dia milaza hoe : Ny olona tsy mivavaka sy tsy ampy finoana an'Andriamanitra matoa mino sy voan'izany ; Tsy miteny izahay hoe diso izany fa kosa fantaro fa feno MISITERY ny fiainan-tsika ety ary maro ny tsy takatrin'ny saina.
Toy ny zavatra rehetra ihany ny ODY GASY ka mety sady afaka mamelona no afaka mamono, efa itantsika teto amin'ny pejy ny atao hoe ODY GASY sy ny mombamomba azy, raha mbola tsy nahita ianao dia tsara raha mamaky kely izany alohan'ny hanohizana mamaky :
SAONJO IRAY LOHASAHA HOY ILAY FITENY KA TSY ILAOZAN'IZAY MAMARARA.
Na manao ny tsara indrindra ianao, na manao ny ratsy indrindra, na manana ianao na sahirana, na inona na inona toerana misy anao eo amin'ny fiaraha-monina, eny fa na dia mpitondra fivavahana aza ianao na @finoana inona na inona dia fantaro fa ny olona rehetra dia tsy voatery ho faly aminao avokoa fa tsy maintsy misy olona tsy ilaozan'izay : Mialona, Mankahala, Manenjika, ... anao ao ; Mety ho ankolaka izany, mety mivantana, mety ho fantatrao ilay olona mety ho tsia.
Ary arakarakin'ny ahombiazanao sy isondrotanao no mampiakatra ny tahan'ny fialonana sy fankahalana ary fanenjehana ireo ka mety hitarika ilay olona hikasa anao zavatra ratsy aminao, ary mety ho tonga any @ fampiasana ODY RATSY sy ny FAMOSAVINA izany.
Fantaro fa ny MOSAVY na VORIKA dia misy karazany :
- Fanomezana poizina avy amin'ny sakafo na zava-pisotro ka mety tonga dia hitarika amin'ny fahafatesana avy hatrany, na koa hitarika aretina hita maso tsy fantatra hoe inona ary tsy mety sitrana an'ilay olona voa.
- Famosavina @alalan'ny fampiasana ODY RATSY, ka @ alalan'ny FIFAMPIKASOANA, ZAVATRA AMPIASAINA (Akanjo, fitaovana indramina, sns) na amin'ny ZAVATRA AVY NAMPIASAINA EFA NARINA (Silgôma, Serviette hygienique, ...) no ifindrany ka mahatonga akony maro amin'ilay olona tiny ho asina.
- Famosavina @alalan'ny fampiasana ODY RATSY, ka @ alalan'ny SARY na SINGA avy @ilay olona (singam-bolo, hoho, ...) ho atao no ifindrany.
- Fampiasana ODY RATSY entina ampidirana FANAHY RATSY ao anatin'ilay olona tina ho amosavina.
- Ao ihany koa ny fametrahana ODY RATSY amin'ny toerana misy an'ilay olona ho amosavina : ao Antokatrano, Birao, anaty fiara, ...
Marobe ny akony avy amin'ny MOSAVY na VORIKA :
- Misy ny hita maso mivantana toy ny ARETINA tsy fantatra fototra, Ambalavelona, Tsy miteraka (lafika), Fahadalana, Tsy tafapetraka (Mitonatonana), ...
- Ny iray kosa eo @ fiainana andavan'andro no iantefany ary io no tena betsaka ary maro ny olona no tsy mahalala fa mety misy mamosavy anie izy io fa lazainy fa le fiainana ihany no mbola mihasarotra : Miady lava (Rabekorontana : Na resaka tsisy dikany aza ao antokatrano dia efa mampikorotana) ; Zara raha mahita vola ; Be trosa ; Sahiran-dava ; Tsy mahatam-bola ; Sakana Tsatoka (Blockage) : izay atao rehetra tsy misy manjary fa toa misy olana foana ; Tsy afaka olana ; Foana tsikelikely ny harena na izay kely eo ampelan-tanana : May ny trano, Mivadika ny fiara, ... ; Maditra vady & Zanaka ; Varotra tsy mandeha tampotampoka eo ; Misesy maty ny olona akaiky : Vady, zanaka, ...; Tsy ambinim-bady (Maty foana izay eo na tsy maharitra) ; Efa ho tonga @ilay tanjona irina nefa vao akaiky dia misy sampona tampoka ; ...
Tsy voatery eo noho eo izy ireny dia miatra fa mety afaka fotoana any aorina.
- Izay rehetra MAMOSAVY na MAMORIKA dia lazaina avokoa hoe MPAMOSAVY na dia tsy mivoaka alina aza, ny mahatonga ny MPAMOSAVY mivoaka alina dia ny FIFOTORAN'NY ODY RATSY izay nataony aminy ihany (Ohatra hoe : Naka ody fitia izy dia taminy ihany ilay izy no nifototra).
- Ny olona mangalatra ny ao antranony ihany koa na mivarotra antsokosoko izay zavatra ao antranony dia lazaina hoe MPAMOSAVY satria manao ze maharingana ny ao antrano (Mpamosavy malemy).
INONA ARY IZANY NO ATAO MBA IAROVANA TENA @MOSAVY na VORIKA METY HO ATAON'OLONA ? hoe mitandrina ve ?
- Ilaina ny mivavaka arak'izay Finoana misy anao, Tsy azo lavina izany !!
- Fa tsy azo adino ihany koa ny mijery sy miaro anao @ maha ianao anao, Fantaro ary aza adino fa manana ny HASINY isika Malagasy sy ny Tanindrazantsika.
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
* Ny pejy dia sady tsy mandrara no tsy mamporisika fa mampahafantatra sy manazava fotsiny ihany.
---------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo, tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
https://web.facebook.com/tsiambaratelompiainana
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)