Mandaitra, Manankery, ary hita eran'izao tontolo izao ny resaka TODY sy OZONA, fa Malagasy isika no miresaka dia isika no akantsika sary ny amin'izany.
Ankoatran'ny Faharatsian'ny Vintana sy ny Mosavy na Vorika ataon'olona, ary ny mety ho antony hafa, dia mety avy amin'ny OZONA na TODY ihany koa ny mahatonga ny olona tonga amin'ireto ohatra ireto :
Tsy mety tafavaoaka amin'ny fiainana,
Mifofotra mafy sy efa manao ny ainy tsy ho zavatra, fa tsy mety mandroso, ny eo ihany no eo.
Izay atao rehetra tsy misy manjary avokoa.
Mibaby trosa mandavataona eny foana, afaka ny etsy dia miditra ny eroa,
Tsy mety mahita asa
Mba miasa ihany nefa tsy mahangona, lany lany foana fotsiny ny vola na karama.
Olana amin'ny Tokantrano (Mikorotan-dava, Misaraka foana, misolosolo vady, maty vady lava, mamono na voavono, tsy mahita masoandro mihiratra, fiafina tafaoatra, tsy mety mahazo zaza, Vady niova toetra tampoka, Vady maditra, sns )
Marary lava
Olona nanana ny naha-izy azy fa fotoana vitsy dia foana ny harena teo ampelantanana,
Fahasembanana tampoka tsy voajanahary
sns ...
Maro ny vokany hita eny amin'ny fiaraha-monina eny fa ireo aloha no voalaza.
Ndeha ho jerena tsotsotra ary ny atao hoe TODY sy OZONA :
1 - NY TODY : (Antso tody) Fanirina zavatra niantra tamin'ny olona mba hiantra amin'olona hafa, rehefa miresaka hoe MIANTSO TODY dia avy dia zavatra ratsy foana no ao an-tsaina, fa diso nefa izany fa ny zavatra tsara ihany koa dia afaka IANTSONA TODY.
Ohatra :
RATSY : Nisy olona iray naharary mafy ny zanany, ka nindrana vola tamin'olona akaiky na fantany izy, ilay olona nindramana nefa manana fa tsy niraharaha sy niomehy fotsiny, ka nolazainy hoe : "Manodiava aminareo ny mahazo anay", izany hoe maniry izy mba ho tonga amin'ilay olona ilay fahavoazana mahazo azy, mba ho tsampan'ilay olona ny amafiny, ary rehefa angataka izy amin'izay fotoana izay dia tsy ahazo ihany koa.
TSARA : Nisy olona nahavita trano lehibe, ary tonga teo ny mpiara monina niarahaba azy tamin'ny fahavitan'ny trano, ary hoy izy namaly ny mpiara-monina hoe : "Manodiava anareo izao fahasoavana azonay izao", izany hoe miantso TODY izy mba ho tongavan'ny fahasoavana ny mpiara-monina.
Ny TODY tsy voatery ho antsoina vao hitranga, fa ny zavatra ataon'olona iray ihany matetika no miverina aminy, Raha mpanao ratsy izy dia mora tongavan'ny ratsy, raha mpanao ny tsara kosa dia mora tongavan'ny tsara.
- Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina (Na amin'ny ratsy io na amin'ny tsara)
- Ny soa atao levenam-bola, fa ny ratsy atao kosa loza miantona
(Zavatra tena notandrovana ary niainan'ny Malagasy izy io taloha, ary hita fa nahatsara ny fiaraha-monina tamin'izany)
2 - NY OZONA : (Manozona) Zavatra hirariana mba hiantra amin'ilay olona OZONINA, ary ny OZONA dia amin'ny zavatra ratsy foana matetika.
OZONINA ho faty, na harary, na mba tsy ho tafarina amin'ny fiainana, ny tsy ahatanteraka izay zavatra irina, sy ny sisa;
Tsy ny olona rehetra no afaka MANOZINA ka hoe tsy maintsy tanteraka;
Matetika dia ny olona izay niaran'ny toetra ratsy avy amin'ny olona iray na maromaro no MANOZONA;
Ny OZONA dia tsy miantra eo noho eo fa amin'ny fotoana hafa, mety ho rahampitso, mety ho afaka ray volana na Taona, mety tsy amin'ilay olona mivantana mintsy aza fa amin'ny taranany tsy manin tsy maninona any aorina any vao mivaly ilay OZONA. (TARANAK'OLONA VOAHOZONA)
Ny olona manana Vintana Alahamady sy Alahasaty ihany koa dia tsy tokony anozonozom-poana amin'ny olona na amin'ny zanaka, fa masimbava miteny ireny ka matetika dia tanteraka foana ny zavatra firain'ny vavany;
Toy ny ohatra hoe : ilay tsy vanona ity, na koa hoe ilay matesa faingana ity, sns
...
OZONA LEHIBE teto Gasikara ny ozona nataon'ireo Malagasy mpitolona, niady tamin'ny Fahaleovantena taloha, tamin'ireo mpamadika tanindrazana tamin'ny vazaha tamin'izany, ka hatramin'ny taranak'ireo mpamadika aty aorina dia mbola mizaka izany avokoa, kanefa dia maro izy ireo (Asa ianao raha anisany, enga anie mba tsia !!)
AZO ESORINA VE NY OZONA RAHA TOA KA MISY @ OLONA IRAY ? ENY
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
--------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
Tandremo, Tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)