lundi 10 novembre 2025

𝗛𝗔𝗠𝗢𝗡𝗢 𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗔𝗛𝗢 !


🔻 Volana vitsy lasa zay. Nisy Raim-pianakaviana iray nandalo tato amiko. Vala-ketraka, kivy, tratran'ny "dépression" lalina, noho ny olana marobe nitambesatra taminy. Nitsimbadika sy nitsitotongana tampoka tao anatin'ny fotoana vitsy ny fiainany.

☑ Voaroaka tamin'ny asa, noho ny zavatra tsy nataony. Ary amam-bolana maro efa mahazo taona no tsy nety nahita.
☑ Ny fananana teo ampelatanana namidy avokoa, satria notorin'ilay orinasa izy, ka tsy maintsy nandoa vola be, honitra mba tsy higadra. Noho ny zavatra tsy nangalariny ihany.
☑ Foana ny teo ampelatanana, ka na ny hanina ho anina aza hifampitadiavana.
☑ Bokan'ny trosa tanteraka. Ary misy amin'ireo no efa mitory, ny sasany sasatra ny mandondona ao antrano tsy andro tsy alina. Efa misitrika sy miafina.
☑ Ny zanaka tsy afaka nampianarina intsony, noho ny tsy fisiam-bola.
☑ Ny vady manitsakitsaka, satria tsy nahazaka ny tsy fisiana tao antokantrano. Tsy tamin'iza fa tamin'ny namany akaiky ihany.
☑ ...

😓Latsaka ny RANOMASONY nitantarany ny zava-nisy tato amiko tamin'izany. Ary nofaranany tamin'ny hoe : Tsoriko aminao fa 𝐓𝐄 𝐇𝐀𝐌𝐎𝐍𝐎-𝐓𝐄𝐍𝐀 𝐀𝐇𝐎 !

🫴 Natao ny FIZAHANA, ary rehefa hita ny fototrin'ny olana, dia nomena azy ny VAHAOLANA mifanandrify. Tsy niverina teto amiko intsony izy taorian'izay.

🙏Volana vitsy taty aoriana, niantso anay izy. Tsy laharana teto an-toerana, fa avy any ampitan-dranomasina. Nisaotra sy nanome fanomezana ho fankasitrahana ahy ny tena antony niantsony, ary nilaza hoe : "Mahay zavatra 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐑𝐘 ry Manjaka Tokana a ! Fa raha tsy nampahitany anao aho, efa tsy teto an-tany intsony ohatran'izay, ary tsy niaina an'izao fiainana tsara hiainako izao"
☑ Nahazo asa aty ampitandranomasina aho, efa amambolana aho zay no lasa aty.
☑ Ny ankizy koa efa eo ampikarakarana ny taratasy momba azy ireo handehanana aty. Ilay orinasa iasako no miantoka ny momba azy ireo makaty, sy ny fianarana.
☑ i Madama hoy izy efa nifona, fa na izany aza, aleo asina fandinihana tsara aloha hoe atao ahoana. Mampalaelo fa maty ilay namako nolazaiko anao nanitsakitsahiny ahy.
☑ Tsy tafaverina tany aminao intsony aho, fa misy zavatra kely nalefako ho anao any, ka mba raiso ampitiavana !
(Mbola averiko eto NY FISAORANA noho ilay fanomezana, ary ho tojo FAHOMBIAZANA hatrany anie ianao sy ny ankohonanao)

👉 Maro ny olana, ary misy tokoa ny tena MAVESATRA sy MAMPIKOROTAN-TSAINA, eny misy ny tena mila HAMPALASA ADALA mihitsy aza. Fa 𝗧𝗦𝗬 𝗩𝗔𝗛𝗔𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔, ary bitsika mamporisika avy amin'ny fanahy ratsy ny 𝗙𝗔𝗠𝗢𝗡𝗢𝗡-𝗧𝗘𝗡𝗔. Misy fiainana MAMIRATRA ambadikio ADY sy SEDRANAO io.

📝 Nahazoana alalana avy taminy ny nandefasana ity tantarany ity eto, fa izahay kosa nefa tsy hilaza ny anarany, ny asany, ny toerana misy azy, sy ny mety ho momba azy, sns, satria TSIAMBARATELO tanteraka ny zavatra atao aty !

🙏 𝗠𝗜𝗥𝗔𝗥𝗬 𝗦𝗢𝗔 Ho antsika rehetra 🙏

---------------------------
Copyright © by Manjaka Tokana SORABE #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo ⚠️ Tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)


mardi 27 juin 2023

♨️ 𝗔𝗭𝗔 𝗠𝗜𝗦𝗢𝗠𝗣𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗛𝗔𝗙𝗔, 𝗙𝗔 𝗛𝗔𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔𝗢 𝗡𝗬 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗘𝗡𝗔 🙏


🔲 Ahitana endriny sy fisehony maro ny fiainana, na ihany koa hoe ny fiaraha-monina iainantsika, eny amin'ny tontolo misy antsika rehetra eny.
🔲 Misy ny tena tsara sy mahafinaritra. Fa misy ihany koa nefa ireo izay tena mahasorena sy mahatezitra ary tena mahasosotra.
🔲 Toetra voajanahary ao amintsika olobelona matetika ny fahatezerana, ny fahasarotampiaro. Misy ny sasany manana toetra fialonana, fankahalana, sns...
🔳 Ireo voalaza ireo nefa raha tsy voafehy, dia lasa mitarika olona iray anao zavatra ratsy : Mamono, migafy, mamosavy na mamorika, misompatra, mitady hevitra hafa entina hamotehana ilay olona iray, ...
🔳 Tsarovy nefa fa ny ratsy atao, na amin'ny endriny toy ny ahoana na ahoana, dia tsy maintsy hivaly sy hifototra amin'izay manao azy ihany. Na tsy aminy mivantana aza, fa amin'ny taranaka any aoriana.
❌ Koa raha eto aminay ianao no hitady zavatra entina haminganana na hisoparana olona, dia hialana tsiny fa tsy manome izany izahay. Tsy natao anaovana izany ny SORABE.
⭕ Raha toa kosa ianao ka mahatsapa, ny mety fisian'ny sakana eo amin'ny fiainana, toy ny :
☑- Fitiavana na tokantrano mikorontana
☑- Tsy mety mahita vady na tsy mety tafiditra anaty fanambadiana.
☑- Fitadiavana, asa, varotra tsy mandeha.
☑- Mifofotra mafy nefa tsy mahomby.
☑- Tsy mahangombola, tsy mahary harena arakin'ny ezaka atao.
☑- Izay zavatra atao tsy misy manjary.
☑- Mahatsapa fisiana hery ratsy na fanahy ratsy amin'ny toerana iray (Trano, fiasana, Tsena, ...).
☑- Tsy mety mahazo zaza.
☑- Misy aretina tsy sitram-panafody satria mety avy amin'ny mosavy na vorika.
☑- sns ...
Dia eto izahay vonona ny hanampy anao. Koa aza misalasala mandefa hafatra miafina (MP).
✔️ Raha hanala ireo sakana na hery ratsy, dia eto izahay. Fa raha mitady zavatra hisoparana olona, dia ialana tsiny 🙏
AZA MISOMPATRA NY HAFA, FA HATSARAO NY AN'NY TENA.

---------------------------
Copyright © by Manjaka Tokana SORABE #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo ⚠️ Tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)

dimanche 7 mai 2023

𝗩𝗔𝗥𝗘𝗬𝗔 : Eau de cologne (Manitra) + Vato Onyx + Hery avy amin'ny Sorabe.

 


⭕ Ny 𝗩𝗔𝗥𝗘𝗬𝗔 dia vokatra iray avy eto @ Tsiambaratelom-piainana, entina hiarovana sy hanalana ny hery na ody ratsy amin'ny toerana rehetra, toy ny :

☑- Trano misy hery ratsy ka mahatonga fikorotanana ao an-tokantrano.
☑- Trano tsy mety vita noho ny fisian'izay hery ratsy na mosavy.
☑- Trano na tany tsy mety lafo.
☑- Trano na birao fandraisana olona, ka tsara raha arovana sy diovina, satria maro ny olona mifamezivezy, tsy hay izay hisopatra na mitondra hery ratsy.
☑- Toeram-piasana.
☑- Fiarovana ny tsena na varotra mba tsy ho azon'ny tsatoka ataon'olona misopatra (Vao misy Tsatoka dia lasa tsy mandeha ny tsena ka mahatonga fatiantoka, sns...)
☑- Fanadiovana ny fiara fitateram-bahoaka. (Karazan'olona maro no miditra ao anatin'ireny ka mila fanadiovana, analana ireo "enérgie négative" entin'olona mivezivezy ao)
☑- Fanadiovana ny fiara tsotra. (Tsy ay izay zavadratsy na fiainana efa natao tao, mila alàna ireny fa mahatonga tsy fahatomombanana)
☑- Fiarovana sy fidiovana rehefa mandeha mandevina na mandalo fasana, mba tsy arahan-dolo na herim-panahy ratsy.
☑- Fiarovana rehefa mandeha amin'ny alina mba tsy hisehoan-javatra hafahafa na arahan-dolo na herim-panahy ratsy hafa.
☑- Fiarovana amin'ny mpamosavy.
☑- ...

👉 Tandremo nefa, tokana ihany ny laharana ahazoana ny 𝗩𝗔𝗥𝗘𝗬𝗔 : 034 98 199 89
👉 Mandefa izahay na aiza na aiza no misy anao.
👉 Fatrany : 50ml (Flacon spray)

* Efa misy torolalana momban'ny fampiasana azy miaraka aminy.
* Tsy misy hidiran'ny resaka finoana ara-pivavahana ny 𝗩𝗔𝗥𝗘𝗬𝗔.

===============
Copyright © by Manjaka Tokana. #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo ⚠ Ity "publication" ity dia tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)