jeudi 28 mai 2026

𝗩𝗢𝗟𝗔 𝗠𝗔𝗙𝗔𝗡𝗔

    

Endrika iray entin'ny mpisopatra ampitana VORIKA amin'ny alalan'ny vola atolotra ny "VOLA MAFANA". Mpivarotra amin'ny ankapobeny no mora voan'izy io noho ny fisian'ny vola mivezivezy matetika. Vola efa nasina ODY RATSY avy any ny "vola mafana", ka mody ividianana zavatra na atakalo ao amin'ilay tsena tina ho soparana. Vao voarain'ilay mpivarotra fotsiny iny dia manomboka eo no RAVA ny momban'ilay tsena :

  • Maty tsikelikely
  • Mikoroso
  • Zara raha mahalafo
  • Mihena isan'andro ny entana amidy...
  • ...

    Somary misy OVITRA kely zay miampita amin'ny tanana izay izy io, ka rehefa amin'ilay fotoana somary misimisy mpividy iny no manararaotra ilay mpanao azy, ka tsy mahare izany ilay mpivarotra satria varina.


    Tsy voatery mpivarotra no voan'izy io arakin'ny nambarako, fa na olona tsotra ihany koa aza rehefa voatolotr'olona "VOLA MAFANA" dia tsy misy tontolom-bola milamina manomboka eo :

  • Bokan-trosa
  • Asa tsy misy mandeha amin'ny tokony ho izy. Vao voaroaka dia tsy mahita intsony avy eo.
  • Fidiram-bola mivarilavo
  • Lasa mivaro-pananana
  • Mitsitotongana isan'andro ny fari-piainana
  • ...

Maro ny olona efa nanana ny NAHA-IZY azy no nasin'ny sasany tamin'ny "vola mafana" fa tonga dia rava tanteraka ny fiainany.

🚫 TANDREMO ⚠️ Miarova tena ! Fa tsy kely lalana ny ratsy.


---------------------------
⛔☣🚫 Tandremo ⚠️ Tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)