⭕ Hita maro eny amin'ny fiaraha-monina izy ity, rehefa tonga ilay fotoana anirina azy. Ao ny hoe nanorina tokantrano ka dia mitady zaza, ao koa ny fanirina natoraly te ananjanaka ao anatin'ny vehivavy, misy fotoanany io ary tena mirongatra be io fanirina te ananjanaka io rehefa mandalo (Eny fa na dia tsy mbola nanambady aza ilay vehivavy).
✅ Tsy mety bevohoka.
✅ Afa-jaza foana.
✅ Teraka kelikely dia tsy azo ilay zaza.
Tsara ny mampahafantatra, fa tsy voatery ho avy amin'ny vehivavy ihany no mahatonga ny tsy fahazoan-jaza eo amin'ny mpivady, maro ihany koa ny lafiny avy eo amin'ny lehilahy, fa ny eo amin'ny vehivavy no asongadinin-tsika eto.
🔷 Ampahatsiahivina kely fa isika dia miaina ao anaty TONTOLO ROA mifampiankina : dia ny
✔️ TONTOLO HITA MASO : izao rehetra hita izao sy izay rehetra iainana ao anatiny
✔️ TONTOLO SPIRITOALY : Tontolo ambadika mifandrindra amin'ny tontolo hita maso.
(Mbola ho idirantsika lalindalina rehefa any aorina ny misitery hifandraisan'ireo)
🔘 Rehefa ny iray amin'ireo Tontolo roa ireo no misy tsy mety, dia tsy tomombana ny fiainan'olona iray, fa matetika isika varina amin'ny hita maso, ary minia tsy mahalala aza ilay fiainana ambadika, dia tsy mahita vokatra.
🔘 Raha ny eo amin'ny lafin'ny SIANSA, izany hoe ny eo amin'ny hita maso, ny ara-batana, dia maro dia maro ny antony ara-batana, ara-pahasalamana mahatonga ny olona iray tsy mety mahazo zaza, ary maro ihany koa ny fitsaboana afaka atao hitsaboana izany.(Ny fikorotanan'ny Hormone, ny tsy fahatomombanan'ny tranon-jaza, ...)
🔘 Fantaro nefa fa tsy ny olana ara-batana ihany no mety mahatonga ny olona iray mety tsy ahazo zaza, fa zava-dehibe ary tsy tokony ho atao tsinotsinona ny TONTOLO SPIRITOALY.
Misy ny olona tena efa mandany fananana mintsy mitsabo-tena any amin' karazana mpitsabo ara-siansa, nefa dia tsy mbola mety mahazo ihany, minana fanafody, manao kazarana "Analyse", misy mididy mintsy aza ny sasany,... fa mbola tsy mety mahazo ihany.
🔷 Raha ireo no hita dia fantaro fa mety tsy olana ara-BATANA ny mahazo anao fa olana ara-SPIRITOALY.
Maro ny olana hita sy miseho amin'izany, eny fa na dia ny VINTAN'ny mpivady fotsiny aza no MIFANOTO dia antony iray,
Fa ny tena matetika mitranga sy mahazatra ny sofina dia ilay antsoina hoe "LAFIKA", fa tsy io ihany fa maro karazany izy!
⭕ Ny aretina Spiritoaly dia Fanahy ratsy na zavatra tsy hita maso mipetraka amin'ny olona iray izay nataon'olona tamin'ny alalan'ny ODY RATSY matetika, ka mahatonga tsy fahatomombanana eo amin'ny Fiainana, ary anisan'izany ny sakana tsy ahazoana zaza, misy koa hoe misy kely amambolana ao dia afaka, ...
Fambara matetika :
Ny vehivavy tsy mety mahazo zaza matetika, dia nanofy nanao firaisana ara-nofo amin'ny olo-pady na amin'olo tsy fantatra.(Raha fantatra ilay olona ka tsy olo-pady dia hafa indray no ilazana azy).
Rehefa izay no mitranga dia misy zavatra mipetraka anaty, ka lasa sakana tsy hipetrahan'ny zaza anaty kibo, mety misy hiteny hoe inona no hifandraisan'izany ? FA TENA MISY TOKOA, ary raha tsy miala io zavatra io dia tsy ahazo zaza mintsy ilay olona.
⭕ Na aretina ARA-BATANA na aretina ARA-SPIRITOALY dia mitovy samy mila fitsaboana avokoa, ary efa misy ireo zavatra napetrakin'ny MPAHARY mba ho ampiasain'Olombelona anasitranana, ka ireny no AMPIASAINA sy ARAHAMBAVAKA AMINY mba ahasitrana antsika.
- Aretina ARA-BATANA : Fanafody + Vavaka vao Mahasitrana
- Aretina ARA-SPIRITOALY : Fanafody + Vavaka vao Mahasitrana
(Tsy misy aretina sitran'ny vavaka fotsiny izany fa tsy maintsy ilaina foana ny fanafody na ny fitaovana).
MATETIKA RAHA TSY VOA NY OLONA IRAY NA NY MANODIDINA AZY TSY MINO NY FISIAN'IZANY !!
Mirary Soa !!
Momban'ny VINTANA (Mifanambina sy Mifanoto) : :
Ny atao hoe Fanambadiana :
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
---------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo, tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
https://web.facebook.com/tsiambaratelompiainana
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)