Raha mahakasika anao ity resaka ity, dia manasa anao mba anana faharetana @famakiana azy hatramin'ny farany na dia somary lavalava ihany aza.
- Lalampiainana voajanahary eo amin'ny Olombelona ny fanambadiana, ny fotoana fahatongavany eo amin'ny tsirairay fotsiny no samihafa, misy ireo somary lasa aloha, eo ihany koa ny somary taraikiraiky. Tsy iteny taona ngamba aloha isika eto ny amin'izay hoe lasa aloha na taraiky izay.
- Tsy ho resahan-tsika eto ihany koa ny olona nisafidy ny tsy anambady noho ny antony maro samihafa, samy manana ny zavatra niainany sy ny antony itondrany ny fiainany ny tsirairay; Ny ho resaka eto dia ny manana fanirina voajanahary iditra amin'ny Fanambadiana.
Efa noresahan-tsika tamin'ny "Article" teo aloha ny "Atao hoe Fanambadiana" - "Fijaliana aram-panambadiana", fa eto kosa isika dia ijery indray ilay hoe : "TSY METY TAFIDITRA ANATY FANAMBADIANA"; Fantaro fa tsy ny Vehivavy ihany akory no manana anio olana io fa ny lehilahy ihany koa, fa ny tena maro aloha dia ny vehivavy.
Rehefa avy namoaka ireo "article" momban'ny fanambadiana ny teto amin'ny Tsiambaratelom-piainana, dia anisan'ny Hafatra miafina "MP" marobe voarainay io resaka TSY METY TAFIDIDTRA ANATY FANAMBADIANA io, ka ny tsara dia aleo resahina.
- Vintana ve sa Anjara, Lahatra ve sa efa Tendry no mahatonga ny olona iray tsy mety tafiditra anaty fanambadiana ? Resaka hafa ihany koa ilay safidy toy ny an'ireo efa voalaza tetsy ambony.
EFa nisy fanazavana momba ireo VINTANA - ANJARA - LAHATRA - TENDRY ireo teto amin'ny pejy, efa voalaza tao sy voazava tsirairay ny momba ireo, toy ny hoe iza no ananan'olombelona fahefana mikitika sy manova amin'ireo sy ny tsia sns, izay anasana anao ihany koa ny ijery ireo eto amin'ny pejy.
Arak'ireo ary raha afohezina dia maro ny antony mahatonga io olana io :
Vintan-dratsy, Loza manaranaka, Ozona, Vorika.
Vintan-dRatsy : Teraka tamin'ny fotoana mampitsotsorobitana ka mahatonga tsy fazahoana vady na tsy fahalavorarina eo amin'ny seha-pitiavana, na raha tafiditra dia tsy milamina ara-tokantrnao mintsy.
(Mila jerena sy fanarenana)
Loza manaranaka : Lafiny marobe io, Arakarakin'ny zavatra tsy nety na Fanotana fady nataon'ny Ray aman-dreny be tany aloha tany ka isakin'ny taranaka dia mipetraka foana io. Fahita matetika ohatra ny hoe : Isakin'ny mpiray tampo amin'ny "Génération" dia tsy maintsy misy anankiray tsy manambady na tsy mety mahazo vady foana.
(Mila alana io faka io, mila tapahana mba tsy ho tonga amin'ny taranaka manaraka mifandimby rehetra.)
Ozona : Mety azo avy amin'ny Ray aman-dReny noho ny antony maro, mety azo avy amin'ny olana ara-pitiavana efa niainana, mety azo avy amin'ny olona niady ka tsy tia tsotra izao, sns... masimbava miteny amin'ny Ozona ny olona teraka ALAHASATY - ALAKAOSY.
(Mila tapahana io ozona io raha toa ka misy)
Vorika : Mazava ho azy fa ny Vorika dia azo sy ataon'olona tsy tia, izay tsy voafetra hoe iza no afaka anao azy fa na dia io namana mitsiky sy mody misolelaka isan'andro io aza dia mety mahavita izany noho ny antony tsy eritreretina loatra.
Mety avy amin'ny sary, akanjo, kiraro, hoho, Singam-bolo, na rehefa zavatra avy nikasika tamin'ny vatana, avy amin'ny zavatra raisina tamin'olona (Atody, Vola, sns....) , avy amin'ny toerana nitombenana, sns ... dia afaka ampitan'ny mpamorika izany avokoa.
Karazany fandrehy matetika ny hoe "FIANDRY", na ihany koa ny "FANAHY MANAMBADY", misy itovizany ireo ka ho resahana sy ho afohezina ny fambara sy ny fisehony :
- Misy Fanahy ratsy entin'ilay Vorika mipetraka amin'ilay olona iray zay voakendry.
- Rehefa izany dia lasa toy ny hoe vadin'ilay olona voakendry mintsy ilay Fanahy ratsy, vokany :
Tsy maharitra amin'ny fiarahana amin'olona, toa mifankankatia nefa zavatra tsy misy dikany eo dia misaraka, miady lava amin'ny olona miaraka aminy, Lasa miovaova olona iarahana tsy fidiny nefa ireo dia tsy misy lasa vady.
MIsy olona tina be nefa avy eo lasa ankahalaina tampoka.
Misy fiarahana matotra sy efa manana tanjona ny hivady nefa misy olana tampoka eo, mety tonga hatramin'ny fahafatesan'ilay olona efa vonona ny hiroso mintsy aza.
Manofy manao firaisana matetika mba tsy ilazana hoe foana, ary amin'ilay manofy dia mahatsapa fahafinaretana mintsy ny vatana, ary lasa tsy manana fahazotoana ny anao izany amin'izay olona miaraka aminy. Raha vehivavy efa manambady no voa toy izany dia matetika manana olana eo amin'ny fitadiavana zaza (Misy zaza fanahy ndray no filaza azy amin'izay, efa misy "Article" momba izay eto @ Pejy)
Tsy mahatanteraka firaisana amin'olona izay miaraka aminy ndraindray nefa dia salama tsara (Vavy lasa maina, ny lahy tsy mahavelona)
Izany dia noho ny sakana ataonio Fanahy ratsy tafiditra amin'ilay olona io, ka mampiteraka olana maro, izay mahatonga ilay hoe FANAHY MANAMBADY.
(Mila alàna io Fanahy ratsy io mba afahana MIDITRA ANATY FANAMBADIANA.)
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
-------------------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
Tandremo, tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)