samedi 20 octobre 2018

ODY GASY (Tapany voalohany)




Talohan'ny nidiran'ny fivavahana Kristianina teto Madagasikara dia anisan'ny zavatra iray tena mampiasaina teto ny Ody, Rehefa maheno teny hoe "Ody" dia zavatra ratsy foana matetika no ao an-tsaina;
Tsara ny mampafantatra fa ny hoe Ody dia zavatra entina hanasitranana na hiarovana amin'ny aretina ho an'ny olombelona (Ara-batana sy Ara-Panahy) sy ny biby, eny fa na ho an'ny zavamaniry koa aza; @Fomba Malagasy tanteraka.

- Ankehitriny rehefa tsy salama dia manantona Dokotera mpitsabo dia mahazo fanafody ho anina.
Taloha kosa rehefa tsy salama dia manantona Olo-be ao an-tanàna ka izy no mafantatra ny aretina mahazo ary manome Ody atao fanasitranana (Ohatra : Ody vavony (Vahona), Ody Fo (Akondro alona rano), Fonoka (Ody fampatoriana ho an'ireo izay tsy mety mahita torimaso) ...)

- Ankehitriny raha hisy zavatra ho atao ka mila andro tsara dia mijery "Météo" sy "Calendrier"
Taloha kosa raha hisy zavatra ho atao ka mila andro tsara dia manantona "Mpanandro" na "Olo-be", ary eny fa na dia ny avandra hilatsaka azy dia fantany, ary ihany ko mbola ainy ny miaro ny Toerana izay tsy tiny ilatsahan'izany avandra izany @ alalan'ny Ody.
sns...

Mbola misy manao ihany izy ireo amin'izao fotoana fa saingy tsy dia manana ny toerany loatra noho ny firoborobon'ny fivavahaka Kristianina.

Niaiky antsika ny vahiny tamin'ny resaka Ody fiarovana ara-Spiritoaly (Spirituel) (Bala miova rano, Ody totohondry, ...), ary indrindra fa Talohan'ny nanjakan'ny Ranavalona faha II, Rehefa itan'ny Vazaha fa tsy ho resy isika ary tsy ho voazanaka nohon'ny fahaizantsika izany dia nataon'izy ireo izay nampidirana ny fivavahana Kristianina teto ka dia nanajanona ny fombany raMalagasy fa nolemena ny saina fa lazaina fa ratsy ny fombatsika dia izao iarahatsika mahita izao no niafarany.

Rehefa eo ampanaovana ireo Ody ireo dia misy ny fikarakarana atao, toy ny fikikisana sy fanatambarana vovokazo izay tokony anome ilay ody ilaina, na fanatambarana ravinkazo vitsivitsy na maromaro; nanjary fanoharana ratsy izy io hoe "Mikiky" taty aorina kanefa dia fantaro fa ireny fanafody ho aninao ireny dia toy izany ihany fa voavoatra @fomba vahiny fotsiny. Ary fantaro fa misy zavamaniry tsy misy afatsy eto amintsika irery afarana alefa any ivelany azy anambaorana izany.

Anisan'ny mpanao ODY GASY fanasitranana malaza teto amin-tsika zao ohatra i Tpkl RATSIMAMANGA. somary nanimba sofina moa ny fanononana azy io ka dia somary namboarimboarina taty aorina fa ny heviny dia ODY GASY foana.

Misy kosa nefa ilay fiteny hoe : Saonjo iray lohasahy ka tsy ilaozan'izay mamarara. Ka dia nisy ireo olona izay nahay nampiasa ody ka nampiasa izany anaovana asa ratsy : Mosavy, Fonoka ampatoriana entina angalarana, fandatsahana fotaka (Varatra), sns (IZAY MBOLA HO ITANTSIKA ETO @ PEJY NY MOMBAN'NY ODY RATSY SY NY MOSAVY ARY IREO FOMBA FIAROVANA), ka dia vao maheno hoe ODY GASY dia ratsy avy hatrany no ao antsaina, fa fantaro fa ny ODY GASY no mbola naheteto antsika Malagasy toy izao.

Ny tandroka dia natao hitehirizan'ireo mpanao ody ireo tahirin'javatra ilaina, Trousse médicale ngamba no mahalaza azy raha ankehitriny.

* Ny pejy dia sady tsy mandrara no tsy mamporisika fa mampahafantatra sy manazava fotsiny ihany.



Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
https://www.facebook.com/tsiambaratelompiainana
https://www.tsiambaratelompiainana.blogspot.com
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)

NY VINTANA sy ny TONOMBOLAN'NY TSIRAIRAY AVY. ♈️♉️♊️♋️♌️♍️♎️♏️♐️♑️♒️♓️


⭕ Nandinika, nandalina, nampiatra, ary zava-dehibe tamintsika Malagasy izy ty talohan'ny nidiran'ny fivavahana Kristianisma, izay nentin'ny vahiny teto amintsika, foana tsikelikely izany satria nozanahan'izy ireo ny saitsika anaraka izay fampianarana nentiny, Roanjato (200) taona lasa teo ho eo zay !!
(Tsy manaratsy ny fivavahana Kristianina akory izahay raha miteny izany fa milaza ny zavatra nisy).
 
☑️ Efa nivavaka tamin' Zanahary (Andriamanitra) isika tamin'izany, fa kosa tsy ambanin-javatra ny resaka VINTANA sy ny TONOMBOLANA, izany hoe ny teo amin'ny tontolo "spirituel".
 
⭕ Misy roa ambinifolo (12 )ny Tonombolana, ary izy ireo dia mizara ao anatin'ny sokajina HERY 4 samihafa, dia ny : 
 
Afo 🔥 Tany 🌍 Rivotra 🌪 ary Rano💧
 
Samy manana ny herim-bintany tsirairay avy ireo.
➡️ Misy arak'izany ny MIFANAMBINA , MIFANENTANA, ary ao kosa ny MIFANOTO vintana amin'ireo sokajy 4 ireo, Ohatra : 
 
👌 Mifanambina : Afo sy Rivotra - Tany sy Rano
👍 Mifanentana : Tany sy Tany - Rano sy Rano
❎ Mifandratra : Afo ry Rano - Tany sy Afo - Rivotra sy Tany
 
Zava-dehibe tamin'ny Malagasy ny fijerena azy io taloha, raha misy olona hiaraka hanatanteraka zavatra iray,
 
Ohatra :
🔳 Olona roa hiara-hiasa
🔳 Olon'droa hanorina tokantrano
🔳 ...
 
Fa rehefa tonga niditra teto ny fivavahana Kristianina izay nentin'ny vahiny dia nolazain'izy ireo fa finoanoam-poana izany (Nefa ry zareo rehefa angatahana fanampi-panazavana dia hoe sambatra izay mino nefa tsy nahita, saingy tsy any aloha zao ny resaka 😉 ).
 
👉 Ireto avy ireo Tonombolana roambinifolo (12), miaraka amin'ny daty tsirairay avy sy ny sokajy misy azy raha apitahaina @ "Calendrier Grégorien" : 
 
---------------------------
♈️ - ALAHAMADY : "Bélier" 21 Martsa h@ 19 Aprily
Sokajy : Afo
 
♉️ - ADAORO : "Taureau" 20 Aprily h@ 20 Mai
Sokajy : tany
 
♊️ - ADIZAOZA : "Gémeaux" 21 Mai h@ 20 Jona
Sokajy : Rivotra
 
♋️ - ASOROTANY : "Cancer" 21 Jona h@ 22 Jolay
Sokajy : Rano
 
♌️ - ALAHASATY : "Lion" 23 Jolay h@ 23 Aogositra
Sokajy : Afo
 
♍️ - ASOMBOLA : "Vierge" 24 Aogositra h@ 22 Septambra
Sokajy : Tany
 
♎️ - ADIMIZANA : "Balance" 23 Septambra h@ 22 Octobra
Sokajy : Rivotra
 
♏️ - ALAKARABO : "Scorpion" 23 Octobra h@ 21 Novambra
Sokajy : Rano
 
♐️ - ALAKAOSY : "Sagittaire" 22 Novambra h@ 21 Desambra
Sokajy : Afo
 
♑️ - ADIJADY : "Capricorne" 22 Desambra h@ 19 Janoary
Sokajy : Tany
 
♒️ - ADALO : "Verseau" 20 Janoary h@ 19 Febroary
Sokajy : Rivotra
 
♓️ - ALOHOTSY "Poissons" 20 Febroary h@ 20 Martsa
Sokajy : Rano
---------------------------
 
👉 MIOVAOVA izy io raha @ Alimanaka, na koa hoe ny @ fanisana andro Malagasy, miankina amin'ny fiodin'ny volana.
 
⭕ IRETO AVY NY TONOMBOLANA MIFANAMBINA (Tena tsara miaraka), sy ny MIFANENTANA (tsaratsara), ary ny MIFANOTO VINTANA TANTERAKA (Tena ratsy) raha eo amin'ny lafin'ny Fitiavana - Fasalamana - Vola aman-karena - Taranaka  :

👌 - Mifanambina : Tonombolana manana vintana tena tsara miaraka aminy ary tena mifanambina amin'izay zavatra atao rehetra.
👍 - Mifanentana : Tonombolana manana vintana mitovitovy aminy ka tsy dia maninona na miaraka aza.
❎ - Mifanoto : Tonombolana tena mifanoto vintana aminy ka tena tsy mety miaraka mintsy amin'ny zavatra izay atao rehetra (Misafotofoto lava, mifamono vintana, ...)
---------------------------
♈️ - ALAHAMADY (Afo)
👌 Mifanambina : ADIMIZANA (Rivotra)
👍 Mifanentana : ALAKAOSY (Afo), ALAHASATY (Afo)
❎ Mifanoto : ASOROTANY (Rano), ADIJADY (Tany)
 
♉️ - ADAORO (Tany)
👌 Mifanambina : ALAKARABO (Rano)
👍 Mifanentana : ASOMBOLA (Tany), ADIJADY (Tany)
❎ Mifanoto : ALAHASATY (Afo), ADALO (Rivotra)
 
♊️ - ADIZAOZA (Rivotra)
👌 Mifanambina : ALAKAOSY (Afo)
👍 Mifanentana : ADIMIZANA (Rivotra), ADALO (Rivotra)
❎ Mifanoto : ASOMBOLA (Tany), ALOHOTSY (Rano)
 
♋️ - ASOROTANY (Rano)
👌 Mifanambina : ADIJADY (Tany)
👍 Mifanentana : ALAKARABO (Rano), ALOHOTSY (Rano)
❎ Mifanoto : ADIMIZANA (Rivotra), ALAHAMADY (Afo)
 
♌️ - ALAHASATY (Afo)
👌 Mifanambina : ADALO (Rivotra)
👍 Mifanentana : ALAKAOSY (AFo), ALAHAMADY (Afo)
❎ Mifanoto : ALAKARABO (Rano), ADAORO (Tany)
 
♍️ - ASOMBOLA (Tany)
👌 Mifanambina : ALOHOTSY (Rano)
👍 Mifanentana : ADIJADY (Tany), ADAORO (Tany)
❎ Mifanoto : ALAKAOSY (Afo), ADIZAOZA (Rivotra)
 
♎️ - ADIMIZANA (Rivotra)
👌 Mifanambina : ALAHAMADY (Afo)
👍 Mifanentana : ADALO (Rivotra), ADIZAOZA (Rivotra)
⚠️ Mifanoto : ADIJADY (Tany), ASOROTANY (Rano) 
 
♏️ - ALAKARABO (Rano)
👌 Mifanambina : ADAORO (Tany)
👍 Mifanentana : ALOHOTSY (Rano), ASOROTANY (Rano)
❎ Mifanoto : ADALO (Rivotra), ALAHASATY (Afo)
 
♐️ - ALAKAOSY (Afo)
👌 Mifanambina : ADIZAOZA (Rivotra)
👍 Mifanentana : ALAHAMADY (Afo), ALAHASATY (Afo)
❎ Mifanoto : ALOHOTSY (Rano), ASOMBOLA (tany)
 
♑️ - ADIJADY (Tany)
👌 Mifanambina : ASOROTANY (Rano)
👍 Mifanentana : ADAORO (Tany), ASOMBOLA (Tany)
❎ Mifanoto : ADIMIZANA (Rivotra), ALAHAMADY (Afo)
 
♒️ - ADALO (Rivotra)
👌 Mifanambina : ALAHASATY (Afo)
👍 Mifanentana : ADIZAOZA (Rivotra), ADIMIZANA (Rivotra)
❎ Mifanoto : ADAORO (Tany), ALAKARABO (Rano)
 
♓️ - ALOHOTSY (Rano)
👌 Mifanambina : ASOMBOLA (Tany)
👍 Mifanentana : ASOROTANY (Rano), ALAKARABO (Rano)
❎ Mifanoto : ALAKAOSY (Afo), ADIZAOZA (Rivotra)
---------------------------
 
🔳 Nisy ny fombafomba natao taloha, mba anarenana na anamboarana ny vitan'olona mba hifanaraka, ho itan-tsika eto ihany izany fomba natao izany, mbola misy olona manatanteraka izany na amin'izao aza.
 
Misy ny olona manakiana ny zavatra toy itony kanefa dia Malagasy, ary tsy vitan'izany fa isan'andro izy nefa dia mihaino na mamaky tononandro (Horoscope) ihany 🙂 .
 
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
 
---------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo ⚠️ Tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)