Volana vitsy lasa zay. Nisy
Raim-pianakaviana iray nandalo tato amiko. Vala-ketraka, kivy, tratran'ny
"dΓ©pression" lalina, noho ny olana marobe nitambesatra taminy.
Nitsimbadika sy nitsitotongana tampoka tao anatin'ny fotoana vitsy ny fiainany.
Voaroaka tamin'ny asa, noho ny zavatra tsy nataony. Ary
amam-bolana maro efa mahazo taona no tsy nety nahita.
Ny fananana teo ampelatanana namidy avokoa, satria notorin'ilay
orinasa izy, ka tsy maintsy nandoa vola be, honitra mba tsy higadra. Noho ny
zavatra tsy nangalariny ihany.
Foana ny teo ampelatanana, ka na ny hanina ho anina aza
hifampitadiavana.
Bokan'ny trosa tanteraka. Ary misy amin'ireo no efa mitory, ny
sasany sasatra ny mandondona ao antrano tsy andro tsy alina. Efa misitrika sy
miafina.
Ny zanaka tsy afaka nampianarina intsony, noho ny tsy fisiam-bola.
Ny vady manitsakitsaka, satria tsy nahazaka ny tsy fisiana tao
antokantrano. Tsy tamin'iza fa tamin'ny namany akaiky ihany.
...
Latsaka ny RANOMASONY nitantarany ny zava-nisy tato
amiko tamin'izany. Ary nofaranany tamin'ny hoe : Tsoriko aminao fa ππ ππππππ-ππππ πππ !
Natao ny FIZAHANA, ary rehefa hita ny
fototrin'ny olana, dia nomena azy ny VAHAOLANA mifanandrify. Tsy niverina teto
amiko intsony izy taorian'izay.
Volana vitsy taty aoriana, niantso anay izy. Tsy
laharana teto an-toerana, fa avy any ampitan-dranomasina. Nisaotra sy nanome
fanomezana ho fankasitrahana ahy ny tena antony niantsony, ary nilaza hoe :
"Mahay zavatra ππ πππππππ ry Manjaka Tokana a ! Fa raha tsy nampahitany
anao aho, efa tsy teto an-tany intsony ohatran'izay, ary tsy niaina an'izao
fiainana tsara hiainako izao"
Nahazo asa aty ampitandranomasina aho, efa amambolana aho zay no
lasa aty.
Ny ankizy koa efa eo ampikarakarana ny taratasy momba azy ireo
handehanana aty. Ilay orinasa iasako no miantoka ny momba azy ireo makaty, sy
ny fianarana.
i Madama hoy izy efa nifona, fa na izany aza, aleo asina
fandinihana tsara aloha hoe atao ahoana. Mampalaelo fa maty ilay namako
nolazaiko anao nanitsakitsahiny ahy.
Tsy tafaverina tany aminao intsony aho, fa misy zavatra kely
nalefako ho anao any, ka mba raiso ampitiavana !(Mbola averiko eto NY FISAORANA noho ilay
fanomezana, ary ho tojo FAHOMBIAZANA hatrany anie ianao sy ny ankohonanao)
Maro ny olana, ary misy tokoa ny tena MAVESATRA
sy MAMPIKOROTAN-TSAINA, eny misy ny tena mila HAMPALASA ADALA mihitsy aza. Fa π§π¦π¬ π©ππππ’πππ‘π, ary bitsika mamporisika avy amin'ny fanahy
ratsy ny πππ π’π‘π’π‘-π§ππ‘π. Misy fiainana MAMIRATRA ambadikio ADY sy
SEDRANAO io.
Nahazoana alalana avy taminy ny nandefasana ity
tantarany ity eto, fa izahay kosa nefa tsy hilaza ny anarany, ny asany, ny
toerana misy azy, sy ny mety ho momba azy, sns, satria TSIAMBARATELO tanteraka
ny zavatra atao aty !
π ππ₯ππ₯π¬ π¦π’π Ho antsika rehetra 
---------------------------


Tandremo
Tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)