Maro ny harena ary samy manana ny harena ilainy sy mahasambatra azy ny tsirairay, fa ny harena resahana eto aloha dia ny VOLA , mety misy olona tsy te anan-karena ara-bola ve ? Aleo angamba isika samy mamaly any an-tsaina any fotsiny !
Misy olona efa natokana hanan-karena ve ? ary misy olona efa natao ho mahantra ?
- Tsy ho resahantsika betsaka intsony ny momba ireo satria efa novelabelarina teto amin'ny pejy, somary mijery kely any amin'ny "article" ambany any ianao raha toa ka tsy mbola namaky izany.
Anisan'ny fanontanina sy fangatahana miverimberina ao amin'ny hafatra miafina (MP) ny hoe :
"AHOANA KAY NY ATAO RAHA TE ANAN-KARENA ?"
"INONA KAY NY FOMBA MAMPANAN-KARENA ?"
sns...
Tsy ho resahan-tsika aloha eto ny olona nandova be, fa raha miaina ao anaty ASA sy FITADIAVANA ary FIKETREHANA mba handroso ianao dia natao ho anao ity resaka ity.
Voalohany indrindra ary dia fantaro fa ankoatran'ny fanaovana asa : TIANA, MAMPAZOTO, ANANANA FINIAVANA, dia mila manana sy manao asa : MADIO sy AMPAHAMARINANA ny olona iray vao mahazo HARENA MITONDRA FIADANANA.
Raha harena azo amin'ny halatra na fanambakana, na fisolokiana na amin'ny endrika asa ratsy rehetra dia tsy ampisy fahasambarana mihitsy ireny, ary tsy ampandova zavatra tsara ho an'ny taranaka izany, fa mety ho OZONA indray aza no ampandovainao ny taranakao.
Tsy mila olona KAMO sy TSY TE ISASATRA ny fananan-karena.
Raha ny lôzika mampanankarena izay iarahana manaiky aloha dia izao :
MILA BETSAKA NY VOLA MIDITRA ary mila kely arak'izay azo atao ny VOLA MIVOAKA.
Raha izay mantsy dia misy ny tahiry afaka atao, ka iny no mitombo ary afaka hanitarana na hananganana zavatra hafa indray avy eo mba hampisy fidiram-mbola bebe kokoa, dia toy izay hatrany. Tsotra kely !
NY ZAVA-MISY sy OLANA @ ANKAPOBENY NEFA DIA IRETO :
Na betsaka na kely ny vola miditra dia manaraka izany foana ny vola mivoaka, izany hoe lasa mitovy foana ny vola miditra sy mivoaka na kely na betsaka.
Isakin'ny mba misy vola eo ampelatanana dia mahita alehany foana iny ka toa tsy hitahita dia lany.
Mifofotra mafy ary tena manao ny ainy tsy ho zavatra amin'ny asa na ketrika atao fa dia ny eo ihany ny eo.
Misy mba efa nahangona sy nahatsangana zavatra ihany fa indray mipi-maso dia rava sy foana.
Ilay olona tena tompon'ny ketrika tsy mahangona ininona fa ny mpiasa na ny mpiara miasa nefa tafavoaka.
Nanana fotodrafitr'asa tena matotra sy maty paika dia nindramana vola tamin'ny "banque" na olon-tsotra, kanjo tsy nisy zavatra nanjary fa maty manenjika volan'olona fotsiny, miampy trosa miavosa nohon'ny fisian'olana marobe niseo teo amin'ny fiainana.
sns tsy voatanisa ...
FA INONA ARY NY OLANA MAHATONGA IZANY ?
Ao ny milaza hoe tsy fahaizana mitantana vola, tsy mahay mandrindra ny vola miditra sy ny mivoaka.
Ao ny miteny hoe be rendrarendra loatra angamba ka mandanindany vola amin'ny zavatra tsy misy dikany.
Ao ny milaza hoe tsy ampy vavaka.
- sns ...
Mety ho marina avokoa ireo rehetra ireo, fa fantaro nefa fa misy ny olona tena tsy mahatambola mihitsy nohon'ny antony tsy miankina aminy, ka tsy hoe izy no tsy mahay mitantana ohatra fa rehefa misy vola eo ampelatanany dia misy antony tsy azony ialana ivoahan'io vola io, dia gaga hoe fa maninona no isakin'ny mba misy vola dia misy olana miseo foana,
Ohatra :
- Rehefa misy vola eo ampelatanana dia misy sendran'ny tsy fahasalamana foana ny olona manodidina azy (Vady, zanaka, ray amandreny, ... na mety ny tenany mihitsy aza)
- Rehefa misy vola dia toa misy olona tonga mitrosa ka dia tsy maharitra ny fitarainan'ilay olona dia manome, nefa avy eo iny tsy azo intsony akory.
Rehefa misy vola eo ampelatanana dia misy zavatra maharesy lahatra ho vidiana nefa kay tsy mitondra ininona akory.
Rehefa misy vola eo ampelatanana toa simba ho azy ny fiara, simba ny trano, ...
Sy ny loza maro samihafa mandany vola amankarena rehetra ...
Maro ny antony mety mahatonga ireo fa aza varina :
Vintana mila fanarenana amin'ilay asa atao (mety tsy mifanaraka amin'ny vintany ilay asa ataony, mety tamin'ny andro tsy mifanaraka @ tonombintany no nanombohana ilay asa na varotra)
Vintan'ny mpivady mifandratra, ka izay atao rehetra mamoa-tsampona avokoa. (Mifankatia, mifanara-tsaina tsara, fa mifandratra vintana eo amin'ny resaka vola aman-karena ka mila fanarenana)
OZONA
Sompatra (VORIKA) ataon'olona tsy tia, na mpifaninana, na mpankahala tsotra zao ( TSATOKA na bloçkage, ...)
INONA ARY IZANY NY ATAO HOE FANDROHITAN-KARENA ?
- Raha ny eto amin'ny Tsiambaratelom-piainana manokana dia tsy fahagagana na "MAGIE" akory ny fandrohitan-karena, ka hoe raha sahirana ara-bola ianao androany dia afaka iray volana dia lasa Milliardaire satria mampiasa FANDROHITAN-KARENA, na hoe boka trosa ianao androany dia afaka herin'andro dia milamina be fa misy vola tonga ho azy eo, na hoe nikatona ny orinasana na Tsenanao omaly satria nisedra olana dia rampitso ihany dia hiverina hisokatra satria mampiasa ny FANDROHITAN-KARENA, TSIA dia TSIA
Ny FANDROHITAN-KARENA dia RITUEL atao mba :
Hanalana ireo hery ratsy manodidina manelingelina ka mahatonga tsy fahombiazana amin'izay fitadiavana atao.
Hanalana ny VORIKA na MOSAVY mety sanatria ataon'olona, ka mahatonga TSATOKA na Bloçkage.
Hanalana OZONA mety azo na nanaranaka.
Hanarenana ny vintana mba hifanaraka ny tonombintan'ilay olona sy ny asa ataony, ka mba hisian'ny vola miditra betsaka kokoa, ary mba tsy anana olana.
Hanarenana ny vintan'ny mpivady mba tsy hifandratra fa hifanambina ara-bola aman-karena.
Hanalana ireo hery ratsy izay mahatonga tsy fahasalamana lava amin'ny ankohonana ka lasa mampandany harena.
Hanalana ireo hery ratsy izay misarika ny olona iray andanindany vola fahatany amin'ny tsy misy dikany, any ka lasa tsy mahary harena.
Rehefa milamina ireo, ary arahina FINIAVANA sy VAVAKA ary FANAOVANA ASA SOA atao amin'ny fo, dia azo antoka tsy misy isalasalana fa ho avy eo aminao ny HARENA.
Mety misy alaim-panahy any zao te anontany hoe :
IANAO MANORATRA IO VE 'ZANY IZAO MANAN-KARENA ?
- Ny HARENA madio dia efa voasoritrin'ny fiainana ny ampy sy sahaza ho an'ny tsirairay avy, ny sahaza ho anao mamaky mety tsy sahaza ho ahy manoratra, ary ny sahaza ho ahy manoratra mety tsy sahaza ho anao mamaky, fa kosa natao hiaina anaty HARENA isika rehetra.
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
------------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
Tandremo, tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)