lundi 10 novembre 2025

𝗛𝗔𝗠𝗢𝗡𝗢 𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗔𝗛𝗢 !


🔻 Volana vitsy lasa zay. Nisy Raim-pianakaviana iray nandalo tato amiko. Vala-ketraka, kivy, tratran'ny "dépression" lalina, noho ny olana marobe nitambesatra taminy. Nitsimbadika sy nitsitotongana tampoka tao anatin'ny fotoana vitsy ny fiainany.

☑ Voaroaka tamin'ny asa, noho ny zavatra tsy nataony. Ary amam-bolana maro efa mahazo taona no tsy nety nahita.
☑ Ny fananana teo ampelatanana namidy avokoa, satria notorin'ilay orinasa izy, ka tsy maintsy nandoa vola be, honitra mba tsy higadra. Noho ny zavatra tsy nangalariny ihany.
☑ Foana ny teo ampelatanana, ka na ny hanina ho anina aza hifampitadiavana.
☑ Bokan'ny trosa tanteraka. Ary misy amin'ireo no efa mitory, ny sasany sasatra ny mandondona ao antrano tsy andro tsy alina. Efa misitrika sy miafina.
☑ Ny zanaka tsy afaka nampianarina intsony, noho ny tsy fisiam-bola.
☑ Ny vady manitsakitsaka, satria tsy nahazaka ny tsy fisiana tao antokantrano. Tsy tamin'iza fa tamin'ny namany akaiky ihany.
☑ ...

😓Latsaka ny RANOMASONY nitantarany ny zava-nisy tato amiko tamin'izany. Ary nofaranany tamin'ny hoe : Tsoriko aminao fa 𝐓𝐄 𝐇𝐀𝐌𝐎𝐍𝐎-𝐓𝐄𝐍𝐀 𝐀𝐇𝐎 !

🫴 Natao ny FIZAHANA, ary rehefa hita ny fototrin'ny olana, dia nomena azy ny VAHAOLANA mifanandrify. Tsy niverina teto amiko intsony izy taorian'izay.

🙏Volana vitsy taty aoriana, niantso anay izy. Tsy laharana teto an-toerana, fa avy any ampitan-dranomasina. Nisaotra sy nanome fanomezana ho fankasitrahana ahy ny tena antony niantsony, ary nilaza hoe : "Mahay zavatra 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐑𝐘 ry Manjaka Tokana a ! Fa raha tsy nampahitany anao aho, efa tsy teto an-tany intsony ohatran'izay, ary tsy niaina an'izao fiainana tsara hiainako izao"
☑ Nahazo asa aty ampitandranomasina aho, efa amambolana aho zay no lasa aty.
☑ Ny ankizy koa efa eo ampikarakarana ny taratasy momba azy ireo handehanana aty. Ilay orinasa iasako no miantoka ny momba azy ireo makaty, sy ny fianarana.
☑ i Madama hoy izy efa nifona, fa na izany aza, aleo asina fandinihana tsara aloha hoe atao ahoana. Mampalaelo fa maty ilay namako nolazaiko anao nanitsakitsahiny ahy.
☑ Tsy tafaverina tany aminao intsony aho, fa misy zavatra kely nalefako ho anao any, ka mba raiso ampitiavana !
(Mbola averiko eto NY FISAORANA noho ilay fanomezana, ary ho tojo FAHOMBIAZANA hatrany anie ianao sy ny ankohonanao)

👉 Maro ny olana, ary misy tokoa ny tena MAVESATRA sy MAMPIKOROTAN-TSAINA, eny misy ny tena mila HAMPALASA ADALA mihitsy aza. Fa 𝗧𝗦𝗬 𝗩𝗔𝗛𝗔𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔, ary bitsika mamporisika avy amin'ny fanahy ratsy ny 𝗙𝗔𝗠𝗢𝗡𝗢𝗡-𝗧𝗘𝗡𝗔. Misy fiainana MAMIRATRA ambadikio ADY sy SEDRANAO io.

📝 Nahazoana alalana avy taminy ny nandefasana ity tantarany ity eto, fa izahay kosa nefa tsy hilaza ny anarany, ny asany, ny toerana misy azy, sy ny mety ho momba azy, sns, satria TSIAMBARATELO tanteraka ny zavatra atao aty !

🙏 𝗠𝗜𝗥𝗔𝗥𝗬 𝗦𝗢𝗔 Ho antsika rehetra 🙏

---------------------------
Copyright © by Manjaka Tokana SORABE #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo ⚠️ Tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)