Ahitana endriny sy fisehony maro ny fiainana, na ihany koa hoe ny fiaraha-monina iainantsika, eny amin'ny tontolo misy antsika rehetra eny.
Misy ny tena tsara sy mahafinaritra. Fa misy ihany koa nefa ireo izay tena mahasorena sy mahatezitra ary tena mahasosotra.
Ireo voalaza ireo nefa raha tsy voafehy, dia lasa mitarika olona iray anao zavatra ratsy : Mamono, migafy, mamosavy na mamorika, misompatra, mitady hevitra hafa entina hamotehana ilay olona iray, ...
Tsarovy nefa fa ny ratsy atao, na amin'ny endriny toy ny ahoana na ahoana, dia tsy maintsy hivaly sy hifototra amin'izay manao azy ihany. Na tsy aminy mivantana aza, fa amin'ny taranaka any aoriana.
Koa raha eto aminay ianao no hitady zavatra entina haminganana na hisoparana olona, dia hialana tsiny fa tsy manome izany izahay. Tsy natao anaovana izany ny SORABE.
Raha toa kosa ianao ka mahatsapa, ny mety fisian'ny sakana eo amin'ny fiainana, toy ny :
- Fitiavana na tokantrano mikorontana
- Tsy mety mahita vady na tsy mety tafiditra anaty fanambadiana.
- Fitadiavana, asa, varotra tsy mandeha.
- Mifofotra mafy nefa tsy mahomby.
- Tsy mahangombola, tsy mahary harena arakin'ny ezaka atao.
- Izay zavatra atao tsy misy manjary.
- Mahatsapa fisiana hery ratsy na fanahy ratsy amin'ny toerana iray (Trano, fiasana, Tsena, ...).
- Tsy mety mahazo zaza.
- Misy aretina tsy sitram-panafody satria mety avy amin'ny mosavy na vorika.
- sns ...
Dia eto izahay vonona ny hanampy anao. Koa aza misalasala mandefa hafatra miafina (MP).
Raha hanala ireo sakana na hery ratsy, dia eto izahay. Fa raha mitady zavatra hisoparana olona, dia ialana tsiny
AZA MISOMPATRA NY HAFA, FA HATSARAO NY AN'NY TENA.
============
Copyright © by Manjaka Tokana (034 98 199 89)
Tandremo Ity "publication" ity dia tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)