mercredi 2 mai 2018

NY HERIN'NY RANO 1 VERA @ ALINA sy ny @ MARAINA.




⭕ Mifampiankina amin'ny zavatra maro ny zavatra iainan-tsika ety, fa tsy mandehandeha fahatany, indrindra fa ny eo amin'ny olombelona sy @ tontolo rehetra.

TANDREMO FA SAMY HAFA MIHITSY NY RANO @VERA AJANONA EO AKAIKY @ ALINA sy ny RANO 1 VERA SOTROINA @ MARAINA.

🔘 Ny olombelona dia Vatana sy Fanahy, ary rehefa matory ny vatana dia malalaka be ny fidiran'ny hery ratsy ao anatin'ny fanahin'ny olombelona iray, izany no antony ilana Rano @ Vera apetraka eo andoham-pandrina rehefa matory amin'ny alina.

🔳 Raha ara-SIANTIFIKA(Scientifique) dia maro ny tombony azo amin'ny fisian'ny rano amin'ny vera eo akaiky rehefa matory amin'ny alina, toy ny ohatra hoe ny fifohan'ilay rano ny "Dioxyde de Carbone" izay lasa "Acide Carbonique", ka mahatonga tsy fahasalamana ny vatana, ho an'ny mitaiza kely dia mety ny fanaovana azy io isan'andro mba ampadio ny rivotra iainana ao an-tokatrano, mba ahasalama ny zaza ary tsy ho farofy lava.

🔳mifoka ny HERY RATSY izay miaodiaody sy izay mety ho ataon'olona, ka mety ahatonga TSY FAHALAVORARIANA @ FIAINANA, Fantaro ihany koa fa raha tsy te ho azon'ny FONOKA (Ody ratsy fampatoriana fampiasan'ny mpangalatra), dia asina Rano amin'ny vera eo ambaravarana @ alina.

VERA MADIO TSY MISY SARY TSY MISY SORATRA + RANO MADIO 2/3 NY VERA (Na rano amin'ny Robinet aza dia mety).

🔳 Rehefa maraina vao mifoha mitsangana eo ampandriana indray, dia TSARA ary TENA TSARA amin'ny fahasalamana ny fisotroana RANO IRAY VERA, toy ny ohatra hoe : Mahatsara ny fisefoana, Ny taova amin'ny fandevonan-kanina, ny fikorinan'ny rà sy ny maro hafa, fa noho ireo voalaza etsy ambony ireo dia FADIO manomboka anio NY FISOTRONA RANO MIALIN'ANDRO TSY MISARONA, ohatra hoe : Mazoto misotro rano isa-maraina ianao dia ny alina ilay rano dia ataonao @ vera eo akaikinao dia iny avy hatrany no sotroina rehefa maraina fa sady MANAPOIZINA ny tenanao ianao no vao maika MAMPIDITRA HERY RATSY aminao.
(Rano misarona tsara anaty tavoahangy na mihidy tsara anaty sinibe no sotroina amin'ny maraina).

Mirary soa !!!

RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
 
---------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo, tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
https://web.facebook.com/tsiambaratelompiainana
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)

NY FIVAVAHANA SY NY FINOANA MANERANTANY (Tapany voalohany)☪️✝️⚛️🕉️✡️🔯☸️☮️🕎♾️...


⭕ Anisan'ny zavatra manana lanja lehibe eto amin'izao tontolo izao sy ny olombelona ny resaka finoana sy ny fivavahana, efa maherin'ny 7 500 000 000 no isan'ny olombelona ireo eran'izao tontolo izao. Ireo dia mizara ary samy manana ny finoany avokoa amin'ny resaka fivavahana, ary tena samy sarotiny sy miaro fatratra ny fahamarinan'izany finoany izany.

Misy eo amin'ny 19 eo ho eo no isan'ny Foto-pinoana lehibe eran'izao tontolo izao, fa ireto dimy 05 manaraka ireto no lehibe betsaka mpanaraka indrindra amin'izao vanim-potoana izao :

☪️ Silamo (Musulman)
- Namorina : Mohamad
- Anarana iantsona ny Andriamanitra hivavahana : Allah

🕉️ Hindoisma (Hindouisme)
- Namorina : Tsy nisy olona manokana
- Anarana iantsoana ny Andriamanitra hivavahana : Andriamanitra telo lehibe : Brahma, Vishnou ary Shiva.

✡️ Jodaisma (Judaïsme)
- Namorina sy nitarika : Abraham - Jacob - Isaac - Moîse
- Anarana iantsona ny Andriamanitra hivavahana : A-do-naï, Eloquim, Shaddaï

✝️ Kristianisma (Christianisme)
- Namorina : Jesoa Kristy, Jesosy Kristy (Jesus Christ)
- Anarana iantsoana ny Andriamanitra hivavahana : Telo lehibe : Andriamanitra Ray, Zanaka (Jesosy Kristy), Fanahy masina.

☸️ Bodhaisma (Bouddhisme)
- Namorina : Siddhartha Gautama antsoina hoe Bouddha
- Anarana iantsoana ny Andriamanitra hivavahana : Bouddha

🔳 Any amin'ny faritra Asia any misy toy ny ohatra hoe : Kaonfisianisma (Confucianisme), Sikisma (Sikhisme), Taoisma (Taoïsme), Sintoaisma (Shintoïsme), Kaonfisianisma (Confucianisme), ...
🔳 Toy ny amin'ny faritra Afrika ihany koa dia misy ohatra ny : Vaodoa (Vaudou), Santeria (Santeria), ... , fa tsy idirantsika lalina fa ireo dimy lehibe ireo no jerentsika amin'ity manaraka ity.

Amin'ireo mponina manodidina ny 7 500 000 000 eto ambon'ny tany ireo, dia ny Fivavahana Kristianisma ankehitriny no manana taha isanjato (pourcent) be mpanaraka sy mino indrindra, ka toy izao ny filaharan'izany :
 
(Salan'isa manodidina)
1 - Kristianina : 35,16 % ✝️
2 - Musulman : 21,32 % ☪️
3 - Hindoista : 15,15 % 🕉️
4 - Bodhaista : 5,80 % ☸️
5 - Jiosy : 0,31 % ✡️

- Fantaro fa misy ireo mivavaka fa tsy manana antokom-pinoana fototra, mahatratra eo amin'ny 12,10 % izy ireo.
- Fantaro ihany koa nefa fa misy ireo izay tsy mivavaka mintsy, izany hoe tsy misy Andriamanitra inoany, io ilay antsoina hoe Athée, eo eo amin'ny 2.89 % ny mponina eran-tany eo izy ireo amin'izao.

🔘 Ireo Antokom-pinoana voalaza etsy ambony ireo, dia nisy fizarany nohon'ny fivoaran'ny fotoana, ary ihany ko ny tsy fitoviam-pomba fijery, toy ny Musulman ohatra dia ao ny : Musulman Sunnites ao ihany ko ny Musulman Chiites ary ny Musulman Ibadîte.

Toy izany ihany koa ny Kristianisma, izay Ny antokom-pinoana KATAOLIKA RAOMANINA no Antokompinoana niforona aofisialy (Averina ihany hoe Aofisialy) voalohany indrindra erantany, rehefa taty aorina dia niala tao amin'ny antoko i Martin Luther ka nanangana ny Antokompinoana Protestanisma, ary toy izany hatrany hatrany, misy olona miala dia manangana antoko hafa ka nanaraka tao ny Loteriana, ny Anglikana, Ny Advantista sy ny sisa maro be taty aoriana.
👉 Fantaro ary fa efa mahatratra mihaotra ny 34 000 (Efatra Arivo sy telo Alina) ny isan'ny Antokom-pivavahana Kristianina misy eran'izao tontolo izao, izay nahatonga ny tahan'ny Kristianina ho maro indrindra erantany, ilay antokom-pivavahana itanao eny akaikinareo eny sy ilay mandeha amin'ny fahitalavitra ireny anisany ao anatiny.

NOHO IZANY : Io samy manana ny finoany sy ny fahalalany ary ny fahatakarany, fa tsotra be : HAJAO NY ANAO dia AZA ARATSINA NY AN'NY HAFA fa matoa samy mifikitra amin'ny azy dia samy mahita fa mety sy tsara. Ary raha hiady hevitra anio dia tsy ho vita na aovina na aovina, satria samy tsy misy anaiky lembenana fa samy tsy maintsy hiaro ny azy.

*Mbola ho hitantsika eto amin'ny manaraka ny mombamomba ny finoana ary ny fombafomba ataon'ny fivavahana tsirairay avy.
 
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
-------------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo ⚠ Ity "publication" ity dia tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)

NY FIAINANAO

 

- Mba tsy hananao olana firy dia ny tsara indrindra dia :
"Aza manankina ny FIAINANAO amin'ny olona afa-tsy ianao ihany"



Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
https://www.facebook.com/tsiambaratelompiainana
https://www.tsiambaratelompiainana.blogspot.com
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)

(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)

MISY VE NY OLONA EFA NATERAKA HANAN-KARENA ary misy ve ny efa NATERAKA HAHANTRA ? arabola ny resaka eto. (Andiany voalohany)

⭕ Eny amin'ny fiaraha-monina iainantsika eny dia mahita isika karazam-piainan'olona (Tafiditra ao anatin'izay io fiainanao io), mahita isika eny fa misy ny olona :
 
✔️ Tena mifofotra miasa mafy ary dia manan-karena.
✔️ Misy ihany koa ireo izay tsy misasatra firy nefa dia manana ny ampy.
✔️ Misy ihany ko ireo izay efa tena manao ny ainy tsy ho zavatra nefa dia mahantra sy sahirana eny foana ihany.
✔️ Ao ny manampahaizana be miaraka amin'ny "Diplôme plus plus" fa dia sahirana eny ihany.
✔️ Ao ndray nefa ny olona izay tena tsy nandia fianarana, tsy mahay momban'ny fitantanana fa dia miraraka ivy ianao mijery ny harenany.
✔️ Misy ndray ireo manankarena tampoka amin'ny ora tsy ampoizina hoe nanao inona, misy koa ny nahantra tampoka teo tsy fantatra hoe nanakory
 
(Tsy resahantsika ny mangalatra eto)



NAHAONA NO MISY OLONA NANANKARENA NY RAY AMANDRENINY, FA NAHANTRA TAMPOKA IZY AVY EO ?
 
NAHAOANA KOSA NO MISY TENA NAHANTRA NY RAY AMANDRENINY FA NANANKARENA TAMPOKA IZY AVY EO ?

➡️ Marobe ny valin'ireo, ary samy manana ny heviny ny tsirairay (Ao ohatra ny hoe : Jehovah no mpiandry ahy, tsy ananjava-mahaory aho !!; eo koa ny hoe : Izay miketrika ihany no tafa !!), MARINA IREO, fa ny eto amin'ny Tsiambaratelom-piainana kosa dia mandroso ny hoe :

⭕ Manomboka eo amin'ny fahaterahana ka hatramin'ny fahafatesan'ny olona iray, dia efa mipetraka ny VINTANA sy ny ANJARA ary ny LAHATRA sy TENDRY, Arak'izany dia misy ny olona manana ny "Vintana, Anjara, Lahatra, Tendry" EFA TSARA HATRANY AMBOALOHANY, na VAO NARENINA ka ambin-karena eny foana izy ireo, ary ao ireo manana ny "Vintana, Anjara, Lahatra, Tendry" EFA RATSY HATRANY AMBOALOHANY na VAO NISY NANOTO nohon'ny antony maro (Ohatra : Ratsy andro nahaterahana, Ozona,...), ka lasa tsy MAHOMBY amin'izay atao rehetra NA HO KETREHANY HATRAMIN'NY ATIDOHANY eo aza !! ilaina ny fijerena ireo;
 
Misy amin'ireo HERY 4 voalaza ireo no azo ovaina sy arenina, misy kosa ny tsy azo (Efa misy fanazavana momban'io ato amin'ny pejy, raha mahaliana anao : https://www.facebook.com/tsiambaratelompiainana/photos/a.1403343029762121.1073741828.1399029243526833/1581004415329314/?type=3&theater).

NOHO IZANY :
 
TOKONY TSY MISY OLONA NATERAKA HAHANTRA IZANY, fa iaina ampiadanana no nametrahan'ilay NAHARY antsika eto, fa ny sasany amin-tsika no varina ao anaty fahantrana ao, ka tsy mahita ny lalam-pahombiazana eo ambanin'ny masotsika, ao ihany koa ireo VOASOMPATRA ny hafa ka tsy tafarina.

TOROHEVITRA 7 omen'ny pejy :

1 - Vao mifoha ny maraina dia Mivavaha : mandohalia, akipio ny maso dia miandrandrà ny lanitra, sokafana ny tanana fa tsy akombona (Tsy misy mpangataka manidy tanana zany fa tsy maintsy sokafana raha te ahazo), Misaora sy Mangataha amin'ny MPAHARY. Matoa ianao mbola nomeny maraina vaovao indray, dia mbola tiny ahazo tombony ianao.

2 - Diovy ny vatanao, farafaharatsiny na dia isa-maraina fotsiny ihany aza (Tsy misasa fotsiny fa mandro (Araraka manomboka any antampondoha ny rano madio hikoriana amin'ny vatana rehetra )), rehefa madio ny vatana dia madio ho azy ny Fanahy.

3 - Miramirana foana fa aza mora sosotra, mampiditra Fanahy maloto ao anatinao ny fahasosorana sy fahatezerana, ka androaka ny soa tokony hiroso aminao. Ialaho lavitra izay zavatra mety anome fahasorenana sy tsy fahombiazana (Olona, zavatra, ...).

4 - Tsy misy asa ratsy, ny fanajanao azy no ilaina, rehefa ataonao amin'ny fo io asanao io na inona na inona sokajiny, dia mampahomby anao foana. (Aoka nefa tsy angalatra)

5 - Ankasitrao ny MPAHARY isakin'ny misy zavatra azonao, fa ho itanao fa tsy hitsahatra ny anome anao izy.

6 - Rehefa tonga ny alina dia aza adino indray no mivavaka amin'ilay NAHARY : Misaotra, mankasitraka, ary mangataka mba hiveloman'ny aina indray, ka ho todisoa ny ampitso.

7 - Farany mameno fito azy nefa tena zava-dehibe : Fantaro ny VINTANAO (sy ny olona miaraka aminao raha misy), fa sao dia tokony ho Arenina mba ahalavorary izay kasaina, sy izay ahasoa.

➡️ RAHA EFA ILAY MANANA IANAO : Misaora an'ilay NAHARY tamin'ny fahasoavana nomeny anao, matoa ianao nomena dia natao ijery ny sahirana sy ny tsy manana, fa tsy sanatria natao hirehareha.
(Alainy eo indray ireo harena ireo vao ho gaga eo ianao)

➡️ RAHA TOA KOSA IANAO KA MBOLA MIAINA @ FAHASAHIRANANA : HIPOSAKA AMINAO ANIE NY MASOANDROM-PIFALIANA, ary aza manahy fa tsy ho ela dia HO AVY ILAY MARAINA.
 
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
 
 ---------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo, tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
https://web.facebook.com/tsiambaratelompiainana
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)