⭕ Anisan'ny zavatra manana lanja lehibe eto amin'izao tontolo izao sy ny olombelona ny resaka finoana sy ny fivavahana, efa maherin'ny 7 500 000 000 no isan'ny olombelona ireo eran'izao tontolo izao. Ireo dia mizara ary samy manana ny finoany avokoa amin'ny resaka fivavahana, ary tena samy sarotiny sy miaro fatratra ny fahamarinan'izany finoany izany.
Misy eo amin'ny 19 eo ho eo no isan'ny Foto-pinoana lehibe eran'izao tontolo izao, fa ireto dimy 05 manaraka ireto no lehibe betsaka mpanaraka indrindra amin'izao vanim-potoana izao :
☪️ Silamo (Musulman)
- Namorina : Mohamad
- Anarana iantsona ny Andriamanitra hivavahana : Allah
🕉️ Hindoisma (Hindouisme)
- Namorina : Tsy nisy olona manokana
- Anarana iantsoana ny Andriamanitra hivavahana : Andriamanitra telo lehibe : Brahma, Vishnou ary Shiva.
✡️ Jodaisma (Judaïsme)
- Namorina sy nitarika : Abraham - Jacob - Isaac - Moîse
- Anarana iantsona ny Andriamanitra hivavahana : A-do-naï, Eloquim, Shaddaï
✝️ Kristianisma (Christianisme)
- Namorina : Jesoa Kristy, Jesosy Kristy (Jesus Christ)
- Anarana iantsoana ny Andriamanitra hivavahana : Telo lehibe : Andriamanitra Ray, Zanaka (Jesosy Kristy), Fanahy masina.
☸️ Bodhaisma (Bouddhisme)
- Namorina : Siddhartha Gautama antsoina hoe Bouddha
- Anarana iantsoana ny Andriamanitra hivavahana : Bouddha
🔳 Any amin'ny faritra Asia any misy toy ny ohatra hoe : Kaonfisianisma (Confucianisme), Sikisma (Sikhisme), Taoisma (Taoïsme), Sintoaisma (Shintoïsme), Kaonfisianisma (Confucianisme), ...
🔳 Toy ny amin'ny faritra Afrika ihany koa dia misy ohatra ny : Vaodoa (Vaudou), Santeria (Santeria), ... , fa tsy idirantsika lalina fa ireo dimy lehibe ireo no jerentsika amin'ity manaraka ity.
Amin'ireo mponina manodidina ny 7 500 000 000 eto ambon'ny tany ireo, dia ny Fivavahana Kristianisma ankehitriny no manana taha isanjato (pourcent) be mpanaraka sy mino indrindra, ka toy izao ny filaharan'izany :
(Salan'isa manodidina)
1 - Kristianina : 35,16 % ✝️
2 - Musulman : 21,32 % ☪️
3 - Hindoista : 15,15 % 🕉️
4 - Bodhaista : 5,80 % ☸️
5 - Jiosy : 0,31 % ✡️
- Fantaro fa misy ireo mivavaka fa tsy manana antokom-pinoana fototra, mahatratra eo amin'ny 12,10 % izy ireo.
- Fantaro ihany koa nefa fa misy ireo izay tsy mivavaka mintsy, izany hoe tsy misy Andriamanitra inoany, io ilay antsoina hoe Athée, eo eo amin'ny 2.89 % ny mponina eran-tany eo izy ireo amin'izao.
🔘 Ireo Antokom-pinoana voalaza etsy ambony ireo, dia nisy fizarany nohon'ny fivoaran'ny fotoana, ary ihany ko ny tsy fitoviam-pomba fijery, toy ny Musulman ohatra dia ao ny : Musulman Sunnites ao ihany ko ny Musulman Chiites ary ny Musulman Ibadîte.
Toy izany ihany koa ny Kristianisma, izay Ny antokom-pinoana KATAOLIKA RAOMANINA no Antokompinoana niforona aofisialy (Averina ihany hoe Aofisialy) voalohany indrindra erantany, rehefa taty aorina dia niala tao amin'ny antoko i Martin Luther ka nanangana ny Antokompinoana Protestanisma, ary toy izany hatrany hatrany, misy olona miala dia manangana antoko hafa ka nanaraka tao ny Loteriana, ny Anglikana, Ny Advantista sy ny sisa maro be taty aoriana.
👉 Fantaro ary fa efa mahatratra mihaotra ny 34 000 (Efatra Arivo sy telo Alina) ny isan'ny Antokom-pivavahana Kristianina misy eran'izao tontolo izao, izay nahatonga ny tahan'ny Kristianina ho maro indrindra erantany, ilay antokom-pivavahana itanao eny akaikinareo eny sy ilay mandeha amin'ny fahitalavitra ireny anisany ao anatiny.
NOHO IZANY : Io samy manana ny finoany sy ny fahalalany ary ny fahatakarany, fa tsotra be : HAJAO NY ANAO dia AZA ARATSINA NY AN'NY HAFA fa matoa samy mifikitra amin'ny azy dia samy mahita fa mety sy tsara. Ary raha hiady hevitra anio dia tsy ho vita na aovina na aovina, satria samy tsy misy anaiky lembenana fa samy tsy maintsy hiaro ny azy.
*Mbola ho hitantsika eto amin'ny manaraka ny mombamomba ny finoana ary ny fombafomba ataon'ny fivavahana tsirairay avy.
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
-------------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
Tandremo Ity "publication" ity dia tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)