mercredi 16 octobre 2019

MIFOFOTRA MAFY NEFA TSY METY MAHOMBY


1 - Fa maninona no misy mpivady mora mahomby ?
Izay atao rehetra mety avokoa ary tena miroborobo ny fitadiavana izay atao.

2 - Fa maninona no misy mpivady tena mifofotra mafy, efa manao ny ainy tsy ho zavatra nefa dia tsy mahita vokatra  firy ?
Mba miasa sy mampidibola ihany nefa toa tsy mahangona, Efa atao daholo izao rehetra izao fa tsy misy mety manjary, tsy mety afa-trosa, Mitsitotongana ny fiainana, ...

➡️ Marobe ny valin'reo, ary fantaro fa misy olona tena tsy manana diplôma mintsy, fa dia io voalohany io no misy azy, misy koa ny mifanohitra amin'izay : Be diplôma, Manampahaizana, Mahafehy fitantanana, fa dia ilay faharoa no misy azy.

Ny olona mahomby matetika dia manome tsiny ny tsy mahomby foana, toy ny hoe : Nareo kosa ngamba tsy miketrika, nareo kosa ngamba kamo, nareo kosa ngamba mirobaroba, nareo kosa ngamba tsy mahay mitantana, sns...

⭕ Samy mahita ny fomba fitondrany sy ny ezaka ataony ny tsirairay, Fa ity lazaina eto ity dia natao ho an'ireo MAHATSAPA fa tena MIEZAKA sy MIFOFOTRA mafy nefa dia TSY METY MAHITA VOKATRA eo amin'ny FIAINANA.

Tadidio fa ny Fiainana dia miankina amin'ny HERY ANANKIROA tsy afa-misaraka :

➡️ Ny HERY HITA MASO sy ny HERY AMBADIKA TSY HITA

Mpivady no resaka eto ka dia raisintsika ohatra ny FITIAVANA :
- Tia olona iray ianao : Tinao izy amin'ny zavatra hitan'ny masonao, Fa tadidio ary tsapanao tsara, fa misy HERY AMBADIKA ihany koa izay tsy fantatrao hoe inona ny tena itiavanao io olona io. (Ilay tena fitia no resaka eto, fa tsy ilay mifono hevitra ambadika ireny).

🔘 Anisan'io HERY AMBADIKA TSY HITA MASO io ny atao hoe VINTANA, Efa nalefanay teto ny momba an'izy io raha efa mpanaraka ny pejy ianao.

Raha mbola tsy nahita sy tsy namaky dia ireto ny Rohy (Lien):

➡️ Inona ny atao hoe VINTANA - ANJARA - LAHATRA - TENDRY ?
https://www.facebook.com/…/a.14033430297…/1581004415329314/…

➡️ VINTANA ROA ohatran'ny ahoana no MIFANAMBINA - MIFANENTANA na sanatria MIFANOTO ?

🔘 Anisan'io HERY AMBADIKA TSY HITA MASO io ihany koa ny resaka filalaovan'ny olona ratsy ODY, entina aminganana fiainan'olona hafa mba TSY ANDROSO, HIKOROTANDAVA, HIKOROSO FAHANA, ...

Raha mbola tsy namaky izany ianao dia indro ny Rohy (Lien) :


⭕ Misy FANALAHIDINY ny FAHOMBIAZANA ka dia manasa anao izahay amaky ny ao anatin'ireo Rohy ambony ireo.

Fehiny :

✅ Ny mpivady dia mila MIFANAMBINA ara-bintana, na farafaharatsiny MIFANENTANA raha te ahomby amin'ny fiainana, jereo ilay rohy.eo ambony raha te hijery hoe Mifanambina amiko ve ity vadiko ity, na sao sanatria Mifanoto.

✅ Ny mpivady koa dia mila mamantatra sao sanatria misy MAMORIKA, sao sanatria misy OZONA, ka na iezaka tahaka ny inona aza dia ny eo ihany ny eo fa vao maika aza miha-mahantra.

✅ Ny mpivady dia mila mifanaratsaina amin'izay atao rehetra.

- Mety misy hiteny hoe : Fa maninona no misy olona tsy mijery ireo izay voalaza kanefa dia mahomby tsara ?
Satria ny Herimbitan'izy ireo no efa MIFANAMBINA na ts nijery izany aza izy ireo (Ary ny olona sendran'ny toy izany matetika no milaza hoe tsy ilaina zany, fa zay zao tsy mijery anzany maninona fa toa mivoatra), izany hoe sendran'ny olona tonga dia nifanambina taminy izy zany.

- Satria koa misy ny Herim-bitan'izy ireo no efa MAHERY dia sarotra andairana ODY RATSY.


Fanontaniana mipetraka :

1 - AZO ARENINA ve ny VINTANA RAHA SANATRIA KA MIFANOTO ? Eny tompoko,

2 - AZO AROVANA TSY HIANTRA AMIN'NY TENA, NA NY TOKANTRANO VE NY ODY RATSY METY HO ATAON'OLONA ? Eny tompoko,

NA EO AZA IREO REHETRA IREO DIA ZAVA-DEHIBE NY FANGATAHAM-PITAHIANA AMIN'ILAY MPAHARY.
 
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
 
--------------------------------
* Ny pejy dia sady tsy mandrara no tsy mamporisika fa mampahafantatra sy manazava fotsiny ihany.

---------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo, tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
https://web.facebook.com/tsiambaratelompiainana
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)