jeudi 2 décembre 2021

FIAROVANA @ HERY RATSY (Vorika - Mosavy - Ody ratsy - Sompatra - Tsatoka - Fiandry - ...)



⭕ Efa noresahana maromaro teto amin'ny pejy ny resaka ODY RATSY, VORIKA, MOSAVY, TSATOKA, FIANDRY, sns ... Eto indray isika dia hiresaka momban'ny FIAROVANA ny amin'izany.
 
🔘 Raha fehezina kely, dia marobe ny karazana HERY sy ODY RATSY hita sy mety ataon'olona eny amin'ny fiaraha-monina iainantsika, maro karazana ihany koa ny olona mpanao na mpanome azy ireny, izay matetika entina anaovana zavatra ratsy nohon'ny antony maro (Fialonana, Fitsiriritana tafahoatra, Fankahalana, ...). 
 
🔘 Tsy amin'olona ihany akory izy ireny no ataon'ny MPISOPATRA na MPAMORIKA na MPAMOSAVY, fa mety amin'ny toerana ihany koa : Trano fonenana, Toeram-piasana, Tsena, ... 
 
Izay mety mahatonga :
☑ Fikorontanana eo amin'ny mpivady, tokatrantrano, fahasalamana, asa, varotra, ara-bola, ...
☑ Tsy fahatomombanana eo amin'izay zavatra kasaina fa toa misy olana na sakana foana.
☑ Tsy fahavitana na fahatafitana hatramin'ny farany izay zavatra atao (Fianarana, Asa na tetik'asa, Trano, Fitiavana sy fanorenana fanambadiana, ...)
 
🔘 Mety tsy ho hita na ho fantatra eny amin'ny endrika ny olona izay mety sanatria hanao izany, nefa dia mety ho olona akaiky sy mitakosona isan'andro mihitsy aza. ILAINA NY FIAROVANA ARAK'IZANY.
 
⭕ Marobe be ny fiarovana afaka atao, fa kosa tsy izay fiarovana rehetra heno na hita na izay lazain'olona akory dia mety amin'olona iray avokoa, fa miankina be indrindra amin'ny herim-panahy sy ny tonombintana izany.
 
🔘 Maro ankehitriny ny Vondrona (Groupe) na Pejy (Page) na olona izay mizara ireny karazana "Rituel" ireny (Mbola ho anaovanay "Article" manokana eto amin'ny pejy moa ny momba izany), izay entina hisintoman-javatra ilaina na hiarovana, sns... 
 
👉 Eto izahay dia tena milaza : ⚠☢️ TANDREMO DIA TANDREMO FA TSY VOATERY HO METY AMINAO AVOKOA IRENY "RITUEL" HITANAO IRENY ☢️⚠, fa mety vao maika aza hitera-doza ho anao sy ny manodidina anao
 
👉Toy ny fanafody fitsaboana ara-batana ihany ny aram-panahy, ny mety sy manasitrana ny hafa tsy voatery ho mety sy hanasitrana anao, dia toy izany ihany koa ny mety sy manasitrana anao tsy voatery ho mety amin'ny hafa; Ao ihany koa ireny karazana tapakazo na firavaka hafahafa entina na iambozonana ireny, misy mety aminao ireny dia misy tsy mety ka mila fantarina tsara.
 
⭕ FIAROVANA TOY NY AHOANA ARY NO AFAKA ATAO AMIN'NY TOERANA NA AMIN'OLONA IRAY ?
 
🔘 Rehefa miresaka herim-panahy toy izao, dia matetika ny vahaolana reha dia hoe mivavaka ihany, na Jodaista io na Silamo, Krisitianina, Hindoista, Bodaista, Kaonfisianista, Sikista, Santerianina, ... sy karazam-pinoana marobe tsy voatanisa izay samy manana ny azy.
 
🔘 Tena ilaina tokoa ny vavaka, kanefa NY ARETINA TSY ARAHAM-PANAFANA sy FIAROVANA tsy ho afaka na ho sitrana, raha mbola samy amin-tsika olombelona, na aretina ara-batana io na aram-panahy.
 
🔘 FIAROVANA no resahantsika eto, izany hoe olona tsy mbola voa fa te HIARO-TENA, Fa ho an'ny efa mahatsapa kosa hoe mety EFA VOA noho ny fahitana ny zavatra iainana, dia efa FITSABOANA izany no ilaina (Tsy fitsaboana @ alalan'ny sampy na sikidy no resahina eto, fa Traitement spirituel).
 
👉 Ahoana no amantarana hoe misy hery na ody ratsy ? Efa nisy "article" navoaka momban'izany eto amin'ny pejy, somary mitsidika kely any ambany ianao raha te ahita izay; Na ihany koa aza misalasala mandefa hafatra miafina na MP aminay ,raha toa ka manahy ny mety hisian'izany ka te ahalala.
 
➡️ Anisan'ny fomba tsotra afaka iarovana toerana iray, ary afaka ataon'ny rehetra ny :
 
☑ Fampiasana Rano amin'ny vera tsy miloko (Transparent), tsy fenoina ny vera fa atao atsasany mahery, atao eo ambonin'ny labatabatra fiasana, na ao an-trano, na atao ambony vitrine raha toa ka tsena, sns.
 
☑ Fampiasana fitaratra :
- Atao eo amin'ny varavarana fidirana raha amin'ny trano, atodika any anatiny.
- Maka fitaratra kely sahabo 5x5 (cm carré) dia atao eo ambony latabatra fiasana (tsy ahoaka)
- Maka fitaratra kely sahabo 5x5 (cm carré) miisa roa raha tsena, ny iray atao anaty fitoerambola, ny iray atao anaty vitrine atao hitan'ny mpividy maso.
 
➡️ Anisan'ny fomba tsotra iarovan-tena manokana, afaka ataon'ny rehetra ihany koa ny :
 
☑ Fanaovana sy fandrona @ firavaka volafotsy miisa tsy mivaky (1 na 3 na 5 na 7 ...)
☑ Fametahana paingotra any anatin'ny akanjo anaovana.
☑ Fametrahana karazana ravinkazo mando dimy samihafa any anaty paosy, raha sendra mandeha alavitra.
 
⚠☢️ TANDREMO ☢️⚠ :
 
☑ Ny manajanona ny akanjo miahy eo an-tokotany, @ ora efa mody masoandro na alina.
☑ Ny manaha na mamela ny atin'akanjo anaty "douche", raha toa ka ivelan'ny trano no misy izany.
☑ Ny manary ny "serviete hygiénique" any amin'ny fako.
☑ Ny manary ny hoho (tanana na tongotra) eny an-tokotany na any amin'ny fako.
☑ Ny manary ny volo avy tapahina any amin'ny fako.
☑ Ny resaka sary miparitaka be loatra. (Anaty tambazotra ohatra)
☑ Ny milaza mialoha amin'ny hafa ny fahasoavana hiditra aminao, na ny fikasana izay ho ataonao.
 
(Mbola hitohy)
 
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
 
 
-------------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo ⚠ Ity "publication" ity dia tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)