lundi 26 décembre 2022

'𝗡𝗗𝗔𝗢 𝗛𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢 ! 🏘️

⭕ Maro ny olona no manana tanjona ny mba anamboatra sy hanagana trano. Satria tokoa ny trano no fiharian-karena azo lazaina fa tsara indrindra, noho izy tsy mihen-danja fa mitombo tombam-bidy hatrany, ka azo hianteherana tsara amin'ny ho avy.

🔳 Tsy ataotao foana nefa ny fananganana trano. Fa ankoatran'ny planina ara-teknika izay tokony efa tsara petraka, sy ny fametrehana ny fanamboarana ny trano eo ampelatanan'ilay Andriamanitra Mpahary lehibe, dia misy ireo lamina sy dingana 𝐚𝐫𝐚-𝐬𝐩𝐢𝐫𝐢𝐭𝐨𝐚𝐥𝐲 sy 𝐚𝐫𝐚-𝐛𝐨𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚𝐡𝐚𝐫𝐲 ary 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐨𝐦𝐛𝐚 tokony arahina, mialoha sy mandritran'ny fananganana ny trano, ary ihany koa eo ampamaranana, ka hatrany amin'izy hitoerana na hipetrahana. 🔸Maro ny olona ANKEHITRINY, no tsy dia manisy hasiny anio lafiny iray io, noho ny antony maro samihafa, fa rehefa sendra olana vao tonga saina hoe fa inona no antony.
🔳 𝐌𝐞𝐭𝐲 𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐬𝐲 𝐬𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚, 𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚, 𝐬𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐢𝐚 𝐚𝐦𝐩𝐢𝐬𝐲 𝐳𝐚𝐯𝐚-𝐝𝐨𝐳𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 :
☑ Gaga ny sasany hoe : Fa maninona no tsy mety vita ilay trano ? 🤔
☑ Mihantona eo antenatenany. Vao misy vola omanina ny anohizana azy, dia misy olana hafa miseo ka mivily any indray aloha ilay vola.
☑ Vao nanao ilay trano dia lasa tsy mandeha arakin'ny tokony ho izy ny fidiram-bola.
☑ Vao nanao ilay trano dia lasa nikorontana ny tokantrano.
☑ Mifamaly lava amin'izay mpanamboatra ny trano, any ka lasa solosoloina foana ny mpanao azy.
☑ Mamolaka ny mpanamboatra ny trano ilay trano amboarina ( 𝑀𝑖𝑡𝑎𝑟𝑖𝑘𝑎 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑓𝑎𝑡𝑒𝑠𝑎𝑛𝑎 𝑒𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑚𝑝𝑎𝑛𝑎𝑚𝑏𝑜𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑛𝑦 𝑡𝑟𝑎𝑛𝑜)
☑ Mety hamolaka ny tompony ihany koa.
☑ Rehefa vita ny trano ka hipetrahana, dia mampisy akony maro : Mampahantra, Tsy ambinim-bola sy harena, Tsy mahatamana na tsara be aza, Mamparary lava, Mamolaka matetika (𝐼𝑧𝑎𝑛𝑦 ℎ𝑜𝑒 𝑚𝑖𝑠𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑜𝑟𝑖𝑎𝑛𝑎 𝑓𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑖𝑙𝑎𝑦 𝑡𝑟𝑎𝑛𝑜)
☑ Sy ny maro hafa tsy ho voatonina.
⭕ 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐕𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐙𝐀𝐕𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐎𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐬𝐲 𝐇𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐑𝐄𝐇𝐄𝐅𝐀 𝐇𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐓𝐑𝐀𝐍𝐎 ?
☑ Mila jerena ny tany, hoe : Tany afaka anaovana fanarenana ve ? Sao dia tany misy rano ao ambaniny ohatra ka mora mihotsaka, Sao dia mba tany tsy mahavelona, sao sanatria tanim-pasana taloha fa tsisy nahalala, sao tany misy hery ratsy, sao tany efa nanaovan'olona asoparana, sao tany voahozona, sao tany feno alahelo satria ohatra tsy maintsy namidin'izay tompony tany aloha tany, noho ny antony tsy azo anoharana, ...
☑ Mila jerena ny tononandron'ilay tany, hoe : Toy ny ahoana ? Sao dia tany mafy andro ka tsy ahatsanganan-javatra, sy mampisy ireo olana voatanisa etsy ambony.
☑ Mila jerena ihany koa ny tonombintan'ilay tompony, hoe : Mifanambina amin'ilay tany ve, sa sao mila fanarenana mba tsy hisian'ny sakana.
☑ Ny vohitra rehetra samy manana ny fombany (𝑨𝒛𝒂 𝒕𝒔𝒊𝒏𝒐𝒕𝒔𝒊𝒏𝒊𝒂𝒗𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒐) 🔸Manantona irony olobe eo antoerana, dia anontanio ny fomba amampanao ao, ary mangataha tsodrano. Indrindra fa any amin'ny tanin'olona hafa ilay tany ho anaovana ny trano.
☑ Mila diovina ny tany mba analana ireo hery ratsy, izay sanatria efa nisy na nametraka teo.
☑ Mialohan'ny iadina ny fototra dia misy ny fomba tokony atao.
🔸Ao anatin'izany ny fangatahana amin'ny Andriamanitra Mpahary, mba ho lavorary ny fikasana sy ny fanamboarana ny trano. (𝐼𝑧𝑎𝑦 𝑓𝑖𝑛𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑟𝑎-𝑝𝑖𝑣𝑎𝑣𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑎𝑡𝑎𝑜 𝑓𝑎 𝑚𝑒𝑡𝑦). Lafiny iray hafa mihitsy iny.
🔸Eo ihany koa ny fanaovana ny fomba hita maso, entina isintomana ny hery tsara sy ny zavatsoa, ary indrindra indrindra fa anakanana ireo izay sanatria mialona, ka misopatra amin'ny alalan'ny 𝐌𝐎𝐒𝐀𝐕𝐘 ka 𝐌𝐀𝐌𝐎𝐑𝐈𝐊𝐀. Tsy voasakan'ny vavaka fotsiny io fa na fiangonana aza no atsangana dia mila atao anio.
☑ Mialohan'ny hanafona tanteraka ny trano (𝐹𝑎𝑚𝑒𝑡𝑟𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑓𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑡𝑟𝑎𝑛𝑜, 𝑎𝑟𝑦 ℎ𝑜 𝑎𝑚𝑒𝑡𝑟𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑠𝑎𝑖𝑛𝑎𝑚-𝑝𝑖𝑟𝑒𝑛𝑒𝑛𝑎), dia misy ihany koa ny fomba tokony atao.
☑ Ary ny farany dia ny fomba hanamarihana sy ilazana fa vita tanteraka ny fananganana sy ny fanamboarana rehetra, TOKANANA hoy ny fiteny.
🔸Ao anatin'izany ny fisaorana an'Andriamanitra Mpahary tamin'ny fiarovana sy ny fitantanany, ary tamin'ny fanampina rehetra. (𝑭𝒂𝒎𝒆𝒕𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒇𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐, 𝒂𝒓𝒚 𝒉𝒐 𝒂𝒎𝒆𝒕𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂𝒎-𝒑𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂, 𝒏𝒂 𝑲𝒓𝒊𝒔𝒕𝒊𝒂𝒏𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒏𝒂 𝑺𝒊𝒍𝒂𝒎𝒐 𝒏𝒂 𝒊𝒏𝒐𝒏𝒂)
🔸Fisaorana ireo olona rehetra tamin'ny fanampina, eny fa na dia ny mpanao trano nokaramaina aza. Ary ny fangatahana tsodrano.
🔸Fa aza adino hatrany ny fanaovana ny fomba hita-maso, mba ampaharitra ny fananana, sy mba hitondra fanambinana ny fisian'ny trano. (𝑁𝑎 ℎ𝑖𝑝𝑒𝑡𝑟𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑖𝑜 𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑜𝑓𝑎𝑖𝑛𝑎)
⚠️ Ireo fomba atao nolazaina ireo dia olona mpisehatra ara-pomba sy ara-panahy no manao azy, FA 𝐓𝐒𝐘 𝐀𝐓𝐀𝐎𝐓𝐀𝐎 𝐅𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐊𝐎𝐑𝐘 IREO fa sao vao maika mampididoza.
⚠️ Tsy misy resaka 𝐒𝐈𝐊𝐈𝐃𝐘 na 𝐒𝐀𝐌𝐏𝐘 na 𝐇𝐈𝐋𝐀𝐋𝐀𝐎 𝐎𝐃𝐘 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐘 akory vao miresaka izany, ary tena tsy misy idirany ! fa fanatanterahina ireo fomba izay ilaina.
👉 𝐓𝐬𝐲 𝐟𝐞𝐧𝐨 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨, 𝐟𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐳𝐚𝐯𝐚𝐝𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐧𝐨 𝐧𝐨𝐡𝐞𝐳𝐚𝐡𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐯𝐨𝐚𝐤𝐚. Toy ny hoe : Inona ny akora tokony sy ny tsy tokony hipetraka mialoha, eo amin'ny tany izay ho anaovana na hananganana ny trano. (𝐻𝑜 𝑟𝑒𝑠𝑎ℎ𝑖𝑛𝑡𝑠𝑖𝑘𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑖𝑟𝑒𝑜)
👉 MANANA TANY ARY VE IANAO ? '𝐍𝐝𝐚𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 !
- Tsy ny olona manana volabe vonona ho anaovana trano no mahavita, fa izay manaraka ny lamina sy manana finiavana. Ireo vahiny manao tranobe eto amin-tsika ireo (Indrindra fa ny karana) ! Dia manana ny finoany ara-pivavahana, fa koa tsy manary ny fombany, ary manaja ny fomba-tany eto amin-tsika; Samy tanterahiny avokoa ireo.
🔸Nanatrika ady fototra ny trano iray lehibe teto Tàna izay aho, Karana isan'ny manankarena eto no tompon'izy io. Fa tena manaraka sy manaja ny lamina zareo na dia eo aza ny volabe ho anaovana ny trano :
☑ Mandeha aloha ny vavaka
☑ Ataony ny fomba amampanaon'ny zareo
☑ Atao avy eo ny fomban'ny tany Malagasy, izay efa hiantsony olona manokana.
☑ Atao ny ady fototra voaloha, izay izy sy ny fianakaviany no manao kely azy.
☑ Aorian'izay vao miditra ny fiarabe ny Orinasa izay hanao ny trano.
 
𝗥𝗔𝗛𝗔 𝗠𝗜𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗟𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔, 𝗗𝗜𝗔 𝗔𝗭𝗔 𝗠𝗜𝗦𝗔𝗟𝗔𝗦𝗔𝗟𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗘𝗙𝗔 𝗛𝗔𝗙𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗠𝗜𝗔𝗙𝗜𝗡𝗔 (𝗠𝗣) 𝗔𝗠𝗜𝗡𝗔𝗬.
 
==============
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo ⚠ Ity "publication" ity dia tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)

MASTURBATION



Satria anisan'ny be mpanontany ao amin'ny hafatra miafina, ka ndao ho resahina kely.
 
🔘 Tsy anazava be ny atao hoe "𝐌𝐚𝐬𝐭𝐮𝐫𝐛𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧" isika. Fa ny fehiny dia hoe : Fanomezana fahafinaretana ny vatana, ka ahatongavana @ "Orgasme", amin'ny alalan'ny tena ihany.
⭕ Ny tena ho velabelarin-tsika dia ny hoe :
- Inona ny lafitsarany ny amin'ny fanaovana izany ?
- Ary inona ny lafiratsiny ?
Na ho an'ny lahy io na vavy.
 
🔳 Ny eto amin'ny pejy dia ny lafiny ara-panahy hatrany no tena resahina. Fa na izany aza dia hitanisa vitsivitsy @lafiny ara-pahasalamana ihany isika.
 
A̳R̳A̳-̳P̳A̳H̳A̳S̳A̳L̳A̳M̳A̳N̳A̳
◽ 𝑳𝒂𝒇𝒊𝒕𝒔𝒂𝒓𝒂𝒏𝒚 :
☑ Tsy ahazoana aretina mifindra
☑ Tsy voatery mila olona vao mahazo fahafinaretana
☑ Manatsara ny fitempon'ny fo
☑ Mapatanora endrika raha atao @antoniny.
☑ Mandamina ny raritsaina (Stress)
☑ Mampitombo ny torimaso
☑ Ahalalana momban'ny vatana, toy ny hoe aiza avy ny teboka manaitra (point d'excitation), toy ny ahoana ny ahatongavana amin'ny fahafinaretana ambony indrindra.
- ...
◽ 𝑳𝒂𝒇𝒊𝒓𝒂𝒕𝒔𝒊𝒏𝒚 :
☑ Mampiena ny filàna iray ara-nofo amin'olona miaraka.
☑ Manena ny fitadidina.
☑ Mahakely aina
☑ Mapa-mora antitra raha be loatra (Tokony tsy hiaotra ny 3 fois/semaine)
☑ Mampiena ny tanjakin'ny ranonaina, na ho an'ny vavy na lahy, ka mety lasa tsy mampiteraka.
☑ Mahavoa ny "cancer prostate" raha be loatra.
- ...
 
A̳R̳A̳-̳P̳A̳N̳A̳H̳Y̳
◻️ Ny lafiny ratsy avy hatrany no tonga dia ho resahina,satria dia mampisy akony ratsy be amin'ny ara-panahy tokoa ny fanaovana ny "𝐌𝐚𝐬𝐭𝐮𝐫𝐛𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧". Tsy ho an'ny vavy ihany, fa na amin'ny lahy ihany koa aza. Fa ny vavy no mora tratra kokoa.
◾Tsy hilaza "therme" betsaka isika fa ezahina hahitsy arak'izay hazahoan'ny rehetra azy.
◻️ Misintona herim-panahy ratsy ny fanaovana "masturbation". Izay mahatonga fisian'ilay atao hoe : 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐇𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐃𝐘. Io FANAHY MANAMBADY io avy eo no manosika ilay olona hi-"masturber" foana, ka lasa miankindoha tanteraka amin'izany avy eo. Miseo avy eo ny fanofisana manao firaisana,izay tena re sy tsapan'ny vatana mihitsy hoe nanao firaisana, fa kosa tamin'ny alalan'ny nofy. Efa ilay 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐇𝐘 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐘 iny.
◽Mampisy akony ratsy amin'ny fiainan'ilay olona ilay izy avy eo, raha tsy ilaza afats'ireto tanisaina ireto :
☑ Tsy tafiaraka mateza amin'olona. Miarakaraka kely dia misaraka, dia toy izay foana.
☑ Kizitin-dava sy tsy tia mifandray amin'olona.
☑ Lasa manana olana amin'ny fanaovana firaisana ara-nofo ( Maina, tsy mahavelona, tsy manana hery ampy anaovana firaisana, ...)
☑ Tsy mahatafiditra amin'ny fanambadiana.
☑ Raha efa anaty tokantrano dia mikorotana sy miady lava.
☑ Mila mitandrina fa mitarika hatrany amin'ny fahafatesan'ny vady na olona miaraka mihitsy.
- ...
◽Satria io 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐇𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐃𝐘 io dia te hifehy anao irery. Ka sakanany daholo izay mety ho fifandraisana ara-fitiavana.
⭕ Rehefa misy anio FANAHY MANAMBADY io dia lasa misy ilay atao hoe 𝐙𝐀𝐙𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐇𝐘. Izay mety mahatonga tsy fahazoana zaza, izany hoe tsy mety miteraka.
◻️ Mampihiba ny "𝒏𝒊𝒗𝒆𝒂𝒖 𝒔𝒑𝒊𝒓𝒊𝒕𝒖𝒆𝒍" ihany koa ny fanaovana masturbation matetika loatra. Ny fifehezan'ilay hery ratsy no mahatonga izany.
Ary indrindra fa fantaro fa isakin'ny misy ranon'aina mivoaka amin'ny olona iray, izay natao tamin'ny alalan'ny "masturbation", dia misy ampahan'ny vatana miala sy very, ka lasa mampihiba izay "𝒏𝒊𝒗𝒆𝒂𝒖 𝒔𝒑𝒊𝒓𝒊𝒕𝒖𝒆𝒍" izay.
 
⭕ 𝙉𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 "𝙢𝙖𝙨𝙩𝙪𝙧𝙗𝙖𝙩𝙞𝙤𝙣" 𝙚𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣'𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙩𝙖𝙧𝙖𝙩𝙧𝙖 :
◽Misy ianareo izay manoratra ao amin'ny hafatra miafina, na manao fizahana (consultation) no omenay torohevitra hanao masturbation eo amin'ny fitaratra. Misy kosa nefa no raranay.
👉 Fa inona ary no antony ? Rehefa inona dia mety fa rehefa inona dia tsia ?
☑ Rehefa hitanay fa tsy mbola mitoetra eo aminao ilay 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐇𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐃𝐘, na ihany koa hoe tsy mbola matanjaka ilay herim-panahy ratsy ao anatinareo, dia mamporisika ary manamafy mihitsy izahay, ny TSY ANAOVANA "masturbation" manoloana ny fitaratra. Fa mampitombo ny herin'ilay Fanahy ratsy.
☑ Mifanohitra amin'izay indray nefa. Raha toa ka hitanay fa efa tena eo aminao ilay 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐇𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐃𝐘, ary efa manisy ireo akony ratsy mihitsy. Dia manome torohevitra izahay ny anaovana "masturbation" manoloana ny fitaratra, fa manampy ny amin'ny fanalana ilay fanahy ratsy ny fanaovana izany. Manampy ny traitement izay atao.
 
👉 Ny fanontanina mipetraka matetika dia ny hoe :
𝐀𝐅𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐄 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐒𝐓𝐔𝐑𝐁𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 ? 𝐝𝐢𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐥𝐢𝐧𝐲 : 𝐄𝐍𝐘, afaka hialana tsara mihitsy.
 
𝗥𝗔𝗛𝗔 𝗠𝗜𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗟𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔, 𝗗𝗜𝗔 𝗔𝗭𝗔 𝗠𝗜𝗦𝗔𝗟𝗔𝗦𝗔𝗟𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗘𝗙𝗔 𝗛𝗔𝗙𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗠𝗜𝗔𝗙𝗜𝗡𝗔 (𝗠𝗣) 𝗔𝗠𝗜𝗡𝗔𝗬.
==============
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo ⚠ Ity "publication" ity dia tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)