FIRY ORA ary FIRY ANDRO SISA NY FOTOANA HIVELOMANAO ? (Tapany voalohany)
- Andeha andany lera
- Andeha andany andro
- Andeha andany fotoana
Fa maninona no andeha anao an'zany ?
- Satria ianao mihevitra fa mbola manana fotoana lavabe iainana dia tsy hitanao izay andaniana ny anio sy ny ampitso, any ka ny ampaham-potoana iainanao dia laninao amin'ny zavatra tsy misy dikany, ary tsy hitondra soa @fiainanao.
Fantaro nefa fa ny Tahampiveloman'ny olombelona amin'izao vanim-potoana iainan-tsika izao dia manodidina ny 65 Taona raha mateza.
- Raha atao kajy tsotsotra izany 65 taona izany dia :
1 Taona = 365 Andro
65 Taona = 23 725 andro
- Raha boriborina izany dia raha hateza indrindra ianao miaina eto ambonin'ity tany ity dia manodidina ny "Fiton-jato sy telo Arivo sy Roa alina Andro" no afahanao mijanona eto.
- Ianao ihany dia afaka mikajikajy ny andronao hoe firy andro zay no efa NIAINANAKO ? dia afaka manontany ny tenanao ihany koa hoe : INONA NY ZAVATRA VITAKO TAO ANATIN'IZAY ANDRO NIAINANAKO 'ZAY ?
* Ary indrindra fa hoe FIRY ANDRO SISA NO METY HIVELOMAKO ?
- Fantaro fa vao miposaka io masoandro io dia mihena iray foana io isa io, Tsy ainao nefa ianao na mbola ahita anio rampitso na ho tapitra androany ny andronao.
- Ataovy an-tsoratra ny zavatra ataonao isan'andro, Ary Fantaro fa raha misy Ora 2 isan'andro fotsiny lanilaninao t@ tsisy dikany mandritran'ny folo taona akoantran'ny ora fatoriana, dia efa very 300 ANDRO ianao NARINA FOTSINY nandritran'ny andro niainanao.
- Raha ianarana fitenim-pirenena iray fotsiny aza ohatra izany 300 andro izany mety efa voafehy tsara ihany an !!?
EFA TRATRA VE NEFA NY TANJONA ? Ianao ihany no mamaly ny tenanao !!
Misy olona any ho any mitalaho mafy amin''ilay MPAHARY mba anomezany ORA / FOTOANA / ANDRO fanampiny satria mety tena misy ilany izany, ka aza lanina @zavatra tsy misy dikany ny ORA sy ny ANDRO iainana, fa ampiasao amin'ny zavatra :
- MAHASOA sy MAHAFINARITRA, ary indrindra AMPISAO anatratrarana ilay TANJONA nofinofisinao.
- Tsy ho an'ny eto an-tany ihany fa diniho ihany koa ny mety ho fiainana AMBADIKIN'NY FAHAFATESANA (mbola ho itantsika eto @ pejy ny momban'izany).
AZA ADINO NY MISAOTRA AN'ILAY MPAHARY ISAKY NY OMENY ANDRO IRAY VAOVAO IANAO.
Mbola hisy tohiny !!
.
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
https://www.facebook.com/tsiambaratelompiainana
http://www.tsiambaratelompiainana.blogspot.com
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)