VOAHAJANAO VE NY RAY AMAN-DRENINAO ?
Zava-dehibe t@ Tsika Malagasy izy ity teo aloha, misy ankehitriny ireo mbola mitazona izany fanajana izany, misy kosa ny efa niova nohon'ny antony tsy fantatra intsony.
Tsarovy fa zava-boahary ianao no mirenireny ety an-tany ety, ka matoa ianao zava-boahary dia nisy nahary fa tsy tongatonga fotsiny teto.
- Ao ilay Andriamanitra Mpahary an'izao tontolo izao, fa fantaro ary tadidio mandrakariva fa ny Mpahary anao hita maso voalohany dia ny Ray aman-dReninao.
- Ny Reny indrindra indrindra satria izy dia tsy maintsy hoe Reninao foana, avy taminy foana ianao no niforona raha mbola olombelona ara-dalana.
.Ao ny niforona avy @ Ray sy Reny ara-dalana (tsy ilay hoe ara-dalana vita raharaha ny resaka eto fa hoe ara-dalana samy eo izy roa).
.Tao ny mety niarahan'ny fitaka ilay reny ka rehefa nitoe-jaza dia nilaozan-dralehilahy.
.Tao koa ny mety niaran'ny herisetra ilay Reny ka nitoe-jaza tsy fidiny.
- Ao koa ny safidin'ilay reny tsotra zao ny anaranaka fa tsy mila vady an
sns marobe ...
- Tsy idiran-tsika lalina ny amin'ireo fa ny azo ambara dia hoe matoa ianao io mamaky ity soratra ity dia niforona avy amin'ny Reninao ianao zany.
- Noho izany : Satria Mpahary anao hita maso izy ireo dia mendrika omena FANAJANA, na dia hoe nisy tsy lavorary sy tsy arakin'ny sitraponao aza sanatria ny zavatra vitan'izy ireo taminao;
- Rà avy aminy ianao ary Aina avy aminy.
- HAJAO izy ireo ary omeo VONIHAHITRA, Raha tsy mahavita izany ianao dia aza MIATSARAVELATSIHY mivavaka am'Andriamanitra Mpahary satria ny itan'masonao aza tsy omenao ny hajany koa maika fa ny tsy hita maso. (Samy manana ny fanaony ny Malagasy ny amin'ny Fomba FANAJANY ny Ray aman-dReniny)
- Rehefa misy zavatra tinao atao ka tinao ho LAVORARY, ny fahazavana tsara indrindra dia ny fangatahana TSO-DRANO @ Ray aman-dReny : Asa, Fanambadiana, Andeha lavitra, ... andramo anie e !!
- Na sanatria aza ianao zaza narina, rehefa itanao izy ireo dia teneno tsotra : Misaotra anareo tamin'ny fanomezana AINA ho ahy, tsy mitana alahelo aminareo aho fa TSOFY RANO mba ahita fahasambarana.
- ary Na SAMBATRA ianao teo anilan'izy ireo na ORY, Rehefa misy ny fahasoavana omen'ny Mpahary dia aza adino ny VALIBABENA.
* Esory ao an-doha manomboka anio raha sanatria misy ny hoe : t@Zay teo anilan' Ray aman-dReninay tsy mba zao sy zao ! esory fa tsy mahasoa anao no mitanisa an'izany.
* Averiko : Alohan'ny ivavahana sy angatahana amin' Andriamanitra Mpahary; dia mandiniha tena aloha hoe : VOAHAJAKO sy omeko VONINAHITRA ve ny Ray aman-dReniko ?
* HAJAO ny RAY sy ny RENINAO MBA HO SAMBATRA SY HO ELA VELONA IANAO.
(Fanajana sy fanomezana voninahitra ny resaka eto fa tsy vavaka)
(Boky maro no ahitana io teny io, na ara-pinoana na ara-pomba sns)
Iza avy ny Ray aman-dReny ?
- Ny Dadabe sy Bebe ary ireo Ray sy Reny niteraka, Ray sy Reny nitaiza nanome fananarana.
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
https://www.facebook.com/tsiambaratelompiainana
https://www.tsiambaratelompiainana.blogspot.com
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)