lundi 6 dΓ©cembre 2021

NY FANAMBADIANA (Tapany faharoa) "Mijaly am-panambadiana"

 


⭕️ Maro ny oham-pitenenana rehy, raha ny momban'ny fanambadiana :

✔️ - Tahaka ny jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka,tonta tsy ialandromborombo
✔️ - Miady maraina, tsara hariva, miady hariva, tsara maraina
- ...
 
Raha fehezina dia tsy maintsy misy foana ny olana kely ao anatin'ny fanambadiana, fa ny tokatrano tsy ahahaka hoy ny fiteny.
 
⭕️ Na dia eo aza anefa izany dia misy ny tena manontany tena hoe :
✔️ - Tahaka ny tokon-kena tokoa ary ve ny fanambadiana, ka ao ny sendran' ny trafony ary ao ny sendran'ny lohaliny ?
Satria dia maro ireo tena miaina anaty ngidy sy fijaliana ao anatin'izany hoe fanambadiana izany.
 
πŸ”³ Rehefa miresaka fijaliana am-panambadiana dia ny vehivavy matetika no voaresaka, fa fantaro nefa fa maro ihany koa ny lehilahy no miaina izany.
 
⭕️ Maro karazana ny fiseon'ny fijaliana, ary samy manana ny azy :
☑ Vady mamo lava
☑ Famonona vady
☑ Gidragidra sy fifamalina tsy misy andro mihiratra
☑ Fampirafesana
☑ Tsy firarahina
☑ Tsy fisina lava
☑ sns... 
 
Ny fehin'ireo dia arakin'ny tao @ Ny fanambadiana tapany voaloha hoe : "Vola - Fitiavana - Fandeferana"
Tsy mifidy ny fijaliana rehefa ho avy, na @ tokantrano tsotra izany na vita raharaha nipoapoaka be.
 
⭕️ Iza tokoa moa no hisafidy an'izany ? Ny ao an-tsaina dia hoe :
☑ Tafaray ny tia sy ny manina, ka faty ho hisarahana
☑ Ny anambadian-kiadanana
☑ sns ...
 
Iza no nanampo hoe :
☑ Ilay nosafidiana tao anatin'ny maro, ilay tina sy lalaina anie ka toa nanjary nivadika olona hafa mintsy.
☑ Ilay fitiavana niredareda be nampisy fahasambarana izay nanosika hiroso, toa nanjary lasa fahoriana mahamay mampijaly.
 
⭕️ NIOVA ILAY OLONA, NIOVA ILAY TOKANTRANO, FA INONA NO ANTONY ?
Tsy tia ahy intsony ve izy ? Nahita vaovao ve? Leo ahy ve izy ? Tsy mahafapo azy ve aho ? Izahay ilay sahirana ve dia nitady fiainana hafa ? ...
Marobe ny fanontaniana tonga ao antsaina, rehefa tonga io fotoana io.
Rehefa mitaraina amin'ny olona momba izany matetika dia ny valiny azo dia hoe :
πŸ‘‰ "Ankino amin'Andriamanitra ny fiainana"
 
Ekena ary tsy azo lavina izany, fa tadidio fa ny ARETINA TSY ARAHAM-PANAFODY tsy sitrana, MILA ARAHAM-PANAFODY sy ARAHAM-BAVAKA VAO MAHOMBY. Ary ny vavaka atao dia amin'ilay MPAHARY irery ihany.
 
⭕️ FANTARO FA ANISAN'NY FOTOTRA TENA MILA JERENA ny hoe :
☑ Vitanao ve ny adidy sy andraikitra amin'ny maha-vady anao ?
Fikarakarana, fanehoana fitiavana, ...
☑ Mifanambina ara-bintana aminao ve io vadinao io ?
Sao natosikin'ny fitiavana fotsiny ka rehefa niara-niaina dia niseo avokoa ny fitsotsorobintana rehetra; sao dia Afo sy Rano sanatria ka hifamono, sao Afo sy Tany ihany koa ka "Tany mena ve hirehitra" hoy ny Ntaolo, ka izay rehetra atao atao tsy misy manjary avokoa.
(Efa misy fanazavana sy tabilao momban'ny vintana ato amin'ny pejy, afaka jerena eo amin'ny Rohy ambany izany)
☑ Sao nisy ny sakana na tsy fankasitrahana avy tamin'ireo Ray aman-dreny, na ireo nitaiza ?
Tsy tafapetraka ny tso-drano tena zava-mahery, na koa nisy OZONA nataon'izy ireo ka mahatonga tsy fahalavorarin'ny tokantrano.
☑ Ny olona rehetra tsy voatery ho faly aminao, ka sao sanatria misy VORIKA.
Rafy, fiaraha-monina, namana, eny fa na dia ao anatin'ny fianakaviana aza dia mety mahavita MAMORIKA, ka mahatonga fikorotanana sy fahasahiranana ary sanatria mety haharava ny tokantrano.
 
πŸ‘‰ Resaka hafa ndray ny hoe milamina am-panambadiana fa ny rafozana sy ny havam-bady no manondrana.
πŸ‘‰ Misy ihany koa ny hoe milamina am-panambadiana fa tsy mety mahazo zaza dia lasa manana olana.
 
 
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
 
 
--------------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo, ⚠ Tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)

jeudi 2 dΓ©cembre 2021

FIAROVANA @ HERY RATSY (Vorika - Mosavy - Ody ratsy - Sompatra - Tsatoka - Fiandry - ...)



⭕ Efa noresahana maromaro teto amin'ny pejy ny resaka ODY RATSY, VORIKA, MOSAVY, TSATOKA, FIANDRY, sns ... Eto indray isika dia hiresaka momban'ny FIAROVANA ny amin'izany.
 
πŸ”˜ Raha fehezina kely, dia marobe ny karazana HERY sy ODY RATSY hita sy mety ataon'olona eny amin'ny fiaraha-monina iainantsika, maro karazana ihany koa ny olona mpanao na mpanome azy ireny, izay matetika entina anaovana zavatra ratsy nohon'ny antony maro (Fialonana, Fitsiriritana tafahoatra, Fankahalana, ...). 
 
πŸ”˜ Tsy amin'olona ihany akory izy ireny no ataon'ny MPISOPATRA na MPAMORIKA na MPAMOSAVY, fa mety amin'ny toerana ihany koa : Trano fonenana, Toeram-piasana, Tsena, ... 
 
Izay mety mahatonga :
☑ Fikorontanana eo amin'ny mpivady, tokatrantrano, fahasalamana, asa, varotra, ara-bola, ...
☑ Tsy fahatomombanana eo amin'izay zavatra kasaina fa toa misy olana na sakana foana.
☑ Tsy fahavitana na fahatafitana hatramin'ny farany izay zavatra atao (Fianarana, Asa na tetik'asa, Trano, Fitiavana sy fanorenana fanambadiana, ...)
 
πŸ”˜ Mety tsy ho hita na ho fantatra eny amin'ny endrika ny olona izay mety sanatria hanao izany, nefa dia mety ho olona akaiky sy mitakosona isan'andro mihitsy aza. ILAINA NY FIAROVANA ARAK'IZANY.
 
⭕ Marobe be ny fiarovana afaka atao, fa kosa tsy izay fiarovana rehetra heno na hita na izay lazain'olona akory dia mety amin'olona iray avokoa, fa miankina be indrindra amin'ny herim-panahy sy ny tonombintana izany.
 
πŸ”˜ Maro ankehitriny ny Vondrona (Groupe) na Pejy (Page) na olona izay mizara ireny karazana "Rituel" ireny (Mbola ho anaovanay "Article" manokana eto amin'ny pejy moa ny momba izany), izay entina hisintoman-javatra ilaina na hiarovana, sns... 
 
πŸ‘‰ Eto izahay dia tena milaza : ⚠☢️ TANDREMO DIA TANDREMO FA TSY VOATERY HO METY AMINAO AVOKOA IRENY "RITUEL" HITANAO IRENY ☢️⚠, fa mety vao maika aza hitera-doza ho anao sy ny manodidina anao
 
πŸ‘‰Toy ny fanafody fitsaboana ara-batana ihany ny aram-panahy, ny mety sy manasitrana ny hafa tsy voatery ho mety sy hanasitrana anao, dia toy izany ihany koa ny mety sy manasitrana anao tsy voatery ho mety amin'ny hafa; Ao ihany koa ireny karazana tapakazo na firavaka hafahafa entina na iambozonana ireny, misy mety aminao ireny dia misy tsy mety ka mila fantarina tsara.
 
⭕ FIAROVANA TOY NY AHOANA ARY NO AFAKA ATAO AMIN'NY TOERANA NA AMIN'OLONA IRAY ?
 
πŸ”˜ Rehefa miresaka herim-panahy toy izao, dia matetika ny vahaolana reha dia hoe mivavaka ihany, na Jodaista io na Silamo, Krisitianina, Hindoista, Bodaista, Kaonfisianista, Sikista, Santerianina, ... sy karazam-pinoana marobe tsy voatanisa izay samy manana ny azy.
 
πŸ”˜ Tena ilaina tokoa ny vavaka, kanefa NY ARETINA TSY ARAHAM-PANAFANA sy FIAROVANA tsy ho afaka na ho sitrana, raha mbola samy amin-tsika olombelona, na aretina ara-batana io na aram-panahy.
 
πŸ”˜ FIAROVANA no resahantsika eto, izany hoe olona tsy mbola voa fa te HIARO-TENA, Fa ho an'ny efa mahatsapa kosa hoe mety EFA VOA noho ny fahitana ny zavatra iainana, dia efa FITSABOANA izany no ilaina (Tsy fitsaboana @ alalan'ny sampy na sikidy no resahina eto, fa Traitement spirituel).
 
πŸ‘‰ Ahoana no amantarana hoe misy hery na ody ratsy ? Efa nisy "article" navoaka momban'izany eto amin'ny pejy, somary mitsidika kely any ambany ianao raha te ahita izay; Na ihany koa aza misalasala mandefa hafatra miafina na MP aminay ,raha toa ka manahy ny mety hisian'izany ka te ahalala.
 
➡️ Anisan'ny fomba tsotra afaka iarovana toerana iray, ary afaka ataon'ny rehetra ny :
 
☑ Fampiasana Rano amin'ny vera tsy miloko (Transparent), tsy fenoina ny vera fa atao atsasany mahery, atao eo ambonin'ny labatabatra fiasana, na ao an-trano, na atao ambony vitrine raha toa ka tsena, sns.
 
☑ Fampiasana fitaratra :
- Atao eo amin'ny varavarana fidirana raha amin'ny trano, atodika any anatiny.
- Maka fitaratra kely sahabo 5x5 (cm carrΓ©) dia atao eo ambony latabatra fiasana (tsy ahoaka)
- Maka fitaratra kely sahabo 5x5 (cm carrΓ©) miisa roa raha tsena, ny iray atao anaty fitoerambola, ny iray atao anaty vitrine atao hitan'ny mpividy maso.
 
➡️ Anisan'ny fomba tsotra iarovan-tena manokana, afaka ataon'ny rehetra ihany koa ny :
 
☑ Fanaovana sy fandrona @ firavaka volafotsy miisa tsy mivaky (1 na 3 na 5 na 7 ...)
☑ Fametahana paingotra any anatin'ny akanjo anaovana.
☑ Fametrahana karazana ravinkazo mando dimy samihafa any anaty paosy, raha sendra mandeha alavitra.
 
⚠☢️ TANDREMO ☢️⚠ :
 
☑ Ny manajanona ny akanjo miahy eo an-tokotany, @ ora efa mody masoandro na alina.
☑ Ny manaha na mamela ny atin'akanjo anaty "douche", raha toa ka ivelan'ny trano no misy izany.
☑ Ny manary ny "serviete hygiΓ©nique" any amin'ny fako.
☑ Ny manary ny hoho (tanana na tongotra) eny an-tokotany na any amin'ny fako.
☑ Ny manary ny volo avy tapahina any amin'ny fako.
☑ Ny resaka sary miparitaka be loatra. (Anaty tambazotra ohatra)
☑ Ny milaza mialoha amin'ny hafa ny fahasoavana hiditra aminao, na ny fikasana izay ho ataonao.
 
(Mbola hitohy)
 
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
 
 
-------------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo ⚠ Ity "publication" ity dia tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)