lundi 6 décembre 2021

NY FANAMBADIANA (Tapany faharoa) "Mijaly am-panambadiana"

 


⭕️ Maro ny oham-pitenenana rehy, raha ny momban'ny fanambadiana :

✔️ - Tahaka ny jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka,tonta tsy ialandromborombo
✔️ - Miady maraina, tsara hariva, miady hariva, tsara maraina
- ...
 
Raha fehezina dia tsy maintsy misy foana ny olana kely ao anatin'ny fanambadiana, fa ny tokatrano tsy ahahaka hoy ny fiteny.
 
⭕️ Na dia eo aza anefa izany dia misy ny tena manontany tena hoe :
✔️ - Tahaka ny tokon-kena tokoa ary ve ny fanambadiana, ka ao ny sendran' ny trafony ary ao ny sendran'ny lohaliny ?
Satria dia maro ireo tena miaina anaty ngidy sy fijaliana ao anatin'izany hoe fanambadiana izany.
 
🔳 Rehefa miresaka fijaliana am-panambadiana dia ny vehivavy matetika no voaresaka, fa fantaro nefa fa maro ihany koa ny lehilahy no miaina izany.
 
⭕️ Maro karazana ny fiseon'ny fijaliana, ary samy manana ny azy :
☑ Vady mamo lava
☑ Famonona vady
☑ Gidragidra sy fifamalina tsy misy andro mihiratra
☑ Fampirafesana
☑ Tsy firarahina
☑ Tsy fisina lava
☑ sns... 
 
Ny fehin'ireo dia arakin'ny tao @ Ny fanambadiana tapany voaloha hoe : "Vola - Fitiavana - Fandeferana"
Tsy mifidy ny fijaliana rehefa ho avy, na @ tokantrano tsotra izany na vita raharaha nipoapoaka be.
 
⭕️ Iza tokoa moa no hisafidy an'izany ? Ny ao an-tsaina dia hoe :
☑ Tafaray ny tia sy ny manina, ka faty ho hisarahana
☑ Ny anambadian-kiadanana
☑ sns ...
 
Iza no nanampo hoe :
☑ Ilay nosafidiana tao anatin'ny maro, ilay tina sy lalaina anie ka toa nanjary nivadika olona hafa mintsy.
☑ Ilay fitiavana niredareda be nampisy fahasambarana izay nanosika hiroso, toa nanjary lasa fahoriana mahamay mampijaly.
 
⭕️ NIOVA ILAY OLONA, NIOVA ILAY TOKANTRANO, FA INONA NO ANTONY ?
Tsy tia ahy intsony ve izy ? Nahita vaovao ve? Leo ahy ve izy ? Tsy mahafapo azy ve aho ? Izahay ilay sahirana ve dia nitady fiainana hafa ? ...
Marobe ny fanontaniana tonga ao antsaina, rehefa tonga io fotoana io.
Rehefa mitaraina amin'ny olona momba izany matetika dia ny valiny azo dia hoe :
👉 "Ankino amin'Andriamanitra ny fiainana"
 
Ekena ary tsy azo lavina izany, fa tadidio fa ny ARETINA TSY ARAHAM-PANAFODY tsy sitrana, MILA ARAHAM-PANAFODY sy ARAHAM-BAVAKA VAO MAHOMBY. Ary ny vavaka atao dia amin'ilay MPAHARY irery ihany.
 
⭕️ FANTARO FA ANISAN'NY FOTOTRA TENA MILA JERENA ny hoe :
☑ Vitanao ve ny adidy sy andraikitra amin'ny maha-vady anao ?
Fikarakarana, fanehoana fitiavana, ...
☑ Mifanambina ara-bintana aminao ve io vadinao io ?
Sao natosikin'ny fitiavana fotsiny ka rehefa niara-niaina dia niseo avokoa ny fitsotsorobintana rehetra; sao dia Afo sy Rano sanatria ka hifamono, sao Afo sy Tany ihany koa ka "Tany mena ve hirehitra" hoy ny Ntaolo, ka izay rehetra atao atao tsy misy manjary avokoa.
(Efa misy fanazavana sy tabilao momban'ny vintana ato amin'ny pejy, afaka jerena eo amin'ny Rohy ambany izany)
☑ Sao nisy ny sakana na tsy fankasitrahana avy tamin'ireo Ray aman-dreny, na ireo nitaiza ?
Tsy tafapetraka ny tso-drano tena zava-mahery, na koa nisy OZONA nataon'izy ireo ka mahatonga tsy fahalavorarin'ny tokantrano.
☑ Ny olona rehetra tsy voatery ho faly aminao, ka sao sanatria misy VORIKA.
Rafy, fiaraha-monina, namana, eny fa na dia ao anatin'ny fianakaviana aza dia mety mahavita MAMORIKA, ka mahatonga fikorotanana sy fahasahiranana ary sanatria mety haharava ny tokantrano.
 
👉 Resaka hafa ndray ny hoe milamina am-panambadiana fa ny rafozana sy ny havam-bady no manondrana.
👉 Misy ihany koa ny hoe milamina am-panambadiana fa tsy mety mahazo zaza dia lasa manana olana.
 
 
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
 
 
--------------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo, ⚠ Tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)