Ny olana sy ny olombelona dia tsy afa misaraka.
Raha mbola misy fofon'aina dia ny olana tsy maintsy misy foana, fa ny habeany sy ny lanjany no tsy mitovy.
Samy manana ny karazan'olany ny tsirairay, ary misy amin'izy ireny tena mahavaky saina, mapatrotraka, mankahia, mitarika tsy fahasalamana toy ny fahatapahan'ny lalandra, mety ho tonga hatramin'ny famoizampo sy fahafatesana mihitsy aza izany.
Matetika dia amin'ireto lafiny ireto no mampisy olana mitranga :
- Fitiavana (𝐹𝑎ℎ𝑎𝑑𝑖𝑠𝑜𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑎𝑛𝑡𝑒𝑛𝑎𝑛𝑎, 𝑉𝑜𝑎𝑓𝑖𝑡𝑎𝑘𝑎, 𝐿𝑎𝑡𝑠𝑎𝑝𝑖𝑡𝑖𝑎, 𝑠𝑛𝑠...)
- Tokantrano (𝑀𝑖𝑘𝑜𝑟𝑜𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎, 𝐹𝑎𝑚𝑝𝑖𝑟𝑎𝑓𝑒𝑠𝑎𝑛𝑎, 𝑇𝑠𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑧𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑧𝑎𝑧𝑎, 𝑠𝑛𝑠...)
- Asa (𝑇𝑠𝑦 𝑚𝑒𝑡𝑦 𝑚𝑎ℎ𝑖𝑡𝑎 𝑎𝑠𝑎, 𝑚𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑜𝑙𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑒ℎ𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑎𝑠𝑎 𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑚𝑝𝑖𝑎𝑟𝑎 𝑚𝑖𝑎𝑠𝑎, 𝑚𝑎𝑛𝑒𝑛𝑗𝑖𝑘𝑎 𝑎𝑠𝑎𝑛'𝑜𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑡𝑠𝑦 𝑣𝑖𝑡𝑎 𝑖𝑧𝑎𝑦 𝑒𝑓𝑎 𝑚𝑖𝑠𝑦 𝑜𝑙𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑎𝑚𝑝𝑎ℎ𝑒𝑓𝑎𝑛𝑎, 𝑠𝑛𝑠...)
- Vola (𝑇𝑠𝑦 𝑚𝑒𝑡𝑦 𝑚𝑎ℎ𝑖𝑡𝑎 𝑣𝑜𝑙𝑎, 𝐵𝑜𝑘𝑎𝑛-𝑡𝑟𝑜𝑠𝑎, 𝐸𝑛𝑗𝑒ℎ𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝑏𝑎𝑛𝑘𝑦 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑒𝑟𝑒𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑣𝑜𝑙𝑎, 𝑉𝑒𝑟𝑦 𝑣𝑜𝑙𝑎, 𝑠𝑛𝑠...)
- Fahasalamana (𝐴𝑛𝑎𝑡𝑦 𝑎𝑟𝑒𝑡𝑖𝑛𝑎 𝑛𝑒𝑓𝑎 𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑣𝑜𝑙𝑎 𝑛𝑎 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑓𝑜𝑑𝑦, 𝑠𝑎𝑠𝑎𝑡𝑟𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑚𝑎𝑟𝑎𝑟𝑦, 𝑚𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑟𝑒𝑡𝑖𝑛𝑎 𝑚𝑖𝑡𝑎𝑖𝑧𝑎, 𝑠𝑛𝑠 ...)
- Fiaraha-monina (𝑇𝑠𝑦 𝑚𝑖𝑓𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑡𝑠𝑎𝑖𝑛𝑎, 𝑚𝑖𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑣𝑜𝑛𝑎𝑣𝑜𝑛𝑎, 𝑚𝑖𝑎𝑑𝑦, 𝑠𝑛𝑠...)
- Fianakaviana (𝑇𝑠𝑦 𝑚𝑖𝑓𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑡𝑠𝑎𝑖𝑛𝑎, 𝑚𝑖𝑎𝑑𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎, 𝑚𝑖𝑓𝑎𝑛𝑒𝑛𝑗𝑖𝑘𝑎, 𝑠𝑛𝑠...)
- Samihafa (𝑅𝑎ℎ𝑎𝑟𝑎𝑚-𝑝𝑖𝑡𝑠𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎, 𝑉𝑜𝑎𝑓𝑜𝑛𝑗𝑎, 𝑉𝑒𝑟𝑦 𝑧𝑎𝑣𝑎𝑡𝑟𝑎, 𝑠𝑛𝑠...)
- ...
Mbola maro ny karazany fa tsy ho voatanisa, ary misy aza olana amin'ny sasany tsy olana amin'ny hafa, any ka lasa ambanina ilay olan'olona nefa tsy tokony ho atao izany.
𝐀𝐡𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐭𝐨𝐚 𝐤𝐚 𝐡𝐚𝐦𝐚𝐡𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 ?
- Tsara fantarina aloha fa ny mahatonga ny olana dia ny fisian'ilay atao hoe "𝑬𝒏𝒆𝒓𝒈𝒊𝒆 𝒏𝒆́𝒈𝒂𝒕𝒊𝒗𝒆", ka arakarakin'ny habetsakio ny vesatr'ilay olana misy, ary arakarakin'ny herim-pahanin'ilay olona no azakany na tsia ny olana miseo.
- Misy karazan'olona zao tena tototrin'ny olana, fa jerena izy toa ohatran'ny tsy miraika akory; Gaga fotsiny izay mahalala hoe raha izaho no teo amin'ny toeran'iny efa lasa adala aho ohatran'zay. Misy indray karazan'olona vao manana olana kely dia efa mila hamoifo tanteraka; Gaga indray izay mahalala hoe zany ve de ho anaovana an'izany.
Raha toa ka hamaha olana arak'izany dia mila ahena ny "𝑬𝒏𝒆𝒓𝒈𝒊𝒆 𝒏𝒆́𝒈𝒂𝒕𝒊𝒗𝒆" ary soloina "𝑬𝒏𝒆𝒓𝒈𝒊𝒆 𝒑𝒐𝒔𝒊𝒕𝒊𝒗𝒆". Maro ny fomba afaka atao entina anaovana izany, fa ity atolotray iray ity no anisan'ny mety kokoa amin'ny rehetra.
Raha miatrika olana ary ianao ka te ahazo vahaolana malaky dia izao atao :
(𝐴𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑚𝑎𝑟𝑎𝑖𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑎𝑡𝑜𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜 𝑖ℎ𝑎𝑛𝑦 𝑛𝑜 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑜𝑣𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑧𝑦 𝑖𝑡𝑦, 𝑓𝑎 𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑒𝑡𝑦 𝑛𝑦 ℎ𝑎𝑟𝑖𝑣𝑎 𝑠𝑦 𝑎𝑙𝑖𝑛𝑎; 𝐴𝑟𝑦 𝑑𝑖𝑚𝑦(05) 𝑘𝑎 𝑡𝑟𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑜𝑙𝑜(10) 𝑚𝑖𝑛𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑒𝑜 𝑖ℎ𝑎𝑛𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑟𝑒𝑡𝑎𝑛𝑦)
Maka toerana mangina, izany hoe toerana tsy hitan'ny olona sy tsy misy manakotaba, mety foana na anaty trano na ivelany.
Maka koveta na zavatra jobo plasitika, miloko fotsy na "Transparent", na mavo, tsy atao loko marevaka.
Asina rano mafana izay zakan'ny tongotra ao anatin'ilay koveta na jobo, sahabo mandifitra ny felatongotra, ambony kelin'ny kitrokely ny habetsany, ary rarahana sira vaingany iray tanana eo ho eo.
Makeo amin'ilay toerana mangina, dia mipetraka, ary arotsaka ao anatin'ilay rano ny tongotra roa. Ezahana ho akanjo maivana no anaovana.
Ahitsy tsara ny lamosina, ny loha mitraka tsara mijery manoloana, apetraka eo ambonin'ny fe ny tanana roa atao misokatra ambony (Jereo ny eo amin'ny sary), akipy ny maso, mifoka rivotra tsara amin'ny orona ary mamoaka izany amin'ny vava.
Ezaho tsy ho hisy ininona mihitsy ao anaty saina, adinoy kely vetivety aloha ny zavatra rehetra, ataovy toy ny hoe eny ambony be eny ianao no mijery dia ny tany boribory fotsiny no hitanao anaty maso.
Rehefa vita ny 5 ka hatramin'ny 10 minitra dia ahiratra ny maso, fafana ny tongotra ary arina ny rano.
Tsara mampiasa "alarm" kely mba tsy ho voahelingelina amin'ny fijerena lera hoe efa afirina izay.
𝐌𝐞𝐭𝐲 𝐡𝐨𝐲 𝐢𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐡𝐨𝐞 𝐢𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐢𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧'𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐧𝐣𝐚𝐝𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐡𝐚𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧'𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 ?
Rehefa voadio tsara ny fanahy, dia miala ny "𝑬𝒏𝒆𝒓𝒈𝒊𝒆 𝒏𝒆́𝒈𝒂𝒕𝒊𝒗𝒆" ao anaty, ary miala manaraka izany tsikelikely ihany koa ireo sakan-dratsy mahatonga ny olana eo amin'ny olombelona, miala ny tebiteby "Stress" izay mampikorotana ny saina ka lasa tsy adinika, miala ny tahotra, miala ny alahelo, miala ny lolompo, miala ny atezerana, miala ny fahakivina, miala ny avonavona, sns...
Rehefa voadio tsara ihany koa ny fanahy, dia miditra bebe kokoa ny "𝑬𝒏𝒆𝒓𝒈𝒊𝒆 𝒑𝒐𝒔𝒊𝒕𝒊𝒗𝒆", izay mahatonga fahatonin-tsaina ary hahatakatra vahaolana kokoa, ho gaga fotsiny ianao avy eo hoe fa naninona no tsy takatro zany hatramizay; Manana endrika faly, misokatra ny masom-panahy ary mitarika makany amin'ny famelana sy firesahana ampitoniana, sns...
Rehefa voadio ihany koa ny fanahy dia salama ho azy ny vatana, manana tanjaka sy herijika entiny miatrika ireo olana.
Mazava ho azy noho izany fa rehefa feno ireo dia mivaha tsikelikely ny olana izay misy.
Tsy rehefa manana olana ihany akory vao afaka manao azy ity, fa ilaina foana ny fanadiovana ny fanahy.
Tsy indray mandeha ihany no manao azy fa afaka atao intelo eo ho eo ao anatin'ny herinandro.
𝘼𝙕𝘼 𝘼𝘿𝙄𝙉𝙊 𝙉𝙔 𝙈𝙄𝙑𝘼𝙑𝘼𝙆𝘼 𝘼𝙈𝙄𝙉'𝙉𝙔 𝙈𝙋𝘼𝙃𝘼𝙍𝙔.
Mirary ny soa ho antsika rehetra, Mandrosoa hasina !
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
-------------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
Tandremo Ity "publication" ity dia tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)