jeudi 17 février 2022

ILAINA VE NY MIJERY FOTOANA (Taona - Volana - Andro - ...) Rehefa hanatanteraka na hanomboka zavatra iray ?


(Manandro hoy isika)

⭕ Andeha ho raisin-tsika atao ohatra ny fambolena : Misy vanimpotoanany avokoa izy ireny, misy ny fambolena atao @ vanimpotoana andro maina, misy ny atao @ vanimpotoana andro avy orana, misy @ andro mangatsika, misy @ andro mafana.

➡️ Matetika izy ireny dia tsy mamokatra raha toa ka tsy @ vanim-potoana mety aminy no hikarakarana azy, na mamokatra aza dia tsy manaraka firy ny fenitra tokony ilana azy.

➡️ Sahala amin'izay ihany koa isika olombelona, fa ny antsika misy lafiny roa.

🔘 Tsara avokoa ny andro rehetra, ekena izany, tsara avokoa satria avy amin'ilay Mpahary, tsy misy andro ratsy zany raha avy amin'Mpahary, Fa kosa tsara amin'ny vanimpotoana ilana azy tsirairay avy,

ARY TSAROVY FA NA NY NAMORONAN'NY MPAHARY AN'IZAO TONTOLO IZAO AZA DIA TAMIN'NY FOTOANA SAMIHAFA AVOKOA fa tsy andro na fotoana iray (Tsy idiran-tsika lalina iny fa samy manana ny fahalalany sy ny nampianarana azy ny tsirairay hoe inona no nataony tamin andro voaloha sy faharoa sy ny sisa).
🔘 Misy antony matoa nasina ny fotoana rehetra :
✅ Segaondra - Minitra - Ora - Andro - Volana - Taona
✅ Alatsinainy - Talata - ........- Alahady
✅ Janoary - Febroary - ..........- Desambra
✅ Ririnina - Lohataona - Fahavaratra - ...
✅ Mafana - Mangatsika - Maina - Manorana - ...
✅ Mazava - Maizina
✅ Maraina - Atoandro - Hariva - Alina

🔘 Fantaro sy tadidio fa isika olombelona dia mitovy amin'ny zava-boary rehetra ihany, fa ankoatran'ny tontolo hita maso dia manana isika ilay fiainana mifampiankina amtsika, ilay fiainana ambadika tsy hita maso nefa anisan'ny tena mandrindra ny fiainantsika,dia ilay fiainana SPIRITOALY, io ilay lafiny faharoa:

- Avy any no misy ny fandrindram-Panahy izay mibaiko ny Saina ho tanterahan'ny Vantana.

- Mandrindra ny : Vintana - Lahatra - Anjara ary Tendry
Efa nisy fanazavana momban'ireo ato amin'ny pejy, fa ny ho raisiny dia ny hoe : MIsy amin'ireo nanomezan'ny Mpahary antsika fahefana ho kitihana, misy kosa ny tsia; ary ho an'ny mpanao ratsy dia io no simbainy amin'ny alalan'ny ody ratsy amotehana fiainan'olona iray izay kendreny.

- Famosavina ARA-BATANA: Ny sakafo hoanina na ny rano sotroina na asiny poizina dia marary na maty ilay olona iray izay kendrena.

- vorika ARA-sPIRITOALY : io fiainana ambadika io no anaovan'ilay olona vorika amin'ny alalan'ny ody ratsy, ka lasa tsy mandeha amin'ny tokony ho izy ny fiainan'ilay olona iray izay kendrena (Tsy mahomby, tsy afa-trosa, mikorotana ara-tokatrano, tsy mahazo zaza, ...)

(Somary nivoana kely tsika)
🔘 Tsy mitovy avokoa ny anjaran'ny olona tsirairay, manomboka amin'ny nahaterahana hatrany amin'ny hahafatesana.
Mety misy ny mitovy Taona - Volana - Andro - Ora nahaterahana, fa kosa na ny minitra sy ny segaondra fotsiny aza dia efa mahasamy hafa ny anjara, ary ny ahafatesana dia efa voapetraka hoe eto ny Taona - Volana - Andro - Ora - Minitra - Segaondra, ka noho izany ny fotoana mety amin'ny tsirairay dia efa samy manana ny azy.
🔘 Raha tsy iresaka Vorika sy Vintana isika dia aza gaga raha misy ny seho toy ny hoe :

☑️ Trano niaraka nahorina izao : Ny an'ny iray vita fa ny an'ny iray nihitsoka teo.

☑️ Mariazy niaraka natao izao : Ny tokatranon'ny iray milamina tsara fa ny an'ny iray tsy mandeha amin'ny laoniny.

☑️ Tsena niaraka nosokafana izao : Ny iray mandeha tsara sy mandroso fa ny iray ny eo ampelatanana aza manaraka tsikelikely.

☑️ sns

🔘 Satria averina hatrany fa tsy mitovy ny tonon'andron'ny tsirairay izay mifandraika amin'io Tontolo Spiritoaly io, ny mety amin'ny hafa, tsy voatery ho mety aminao, ary ny mety aminao tsy ho mety amin'ny hafa, ka izany no ilana ijerena ny fotoana mety amin tonombitan'ilay olona rehefa anatanteraka zavatra iray. (Tononandro hoy ny fiteny mahazatra)
🔘 Avy amin'ny fotoana nahaterahana dia efa misy ny fotoana mety sy mifanaraka aminy amin'ny fanatanterahana zavatra iray :

✅ Fanambadiana
✅ Fananganana trano
✅ Fifindrana trano
✅ Fananganana foto-drafitrasa
✅ Fanombohana asa iray
✅ Fanokafaka tsena
✅ Fampidirana dossier iandrasana valiny
✅ Findramana vola amin'ny olona na amin'ny banky
✅ Fotoana idirana amin'ny fampiasana vola
✅ sns
⭕ Aminay eto amin'ny pejy, dia ilaina ary tsy asan'ny maizina velively arakin'ny vohizina ankehitriny ny fijerena ny fotoana mety sy mifanaraka amin'olona iray raha anao zavatra.

Ary rehefa hita izany dia apetraka eo ampelatanan'ilay Mpahary nanao ireo rehetra voalaza ireo ny fikasana, mba ho lavorary sy tsy ho azon-tsampona.
🔘 Raha misy olona roa ohatra, lahy sy vavy mikasa anorina tokantrano, mila jerena ny lafiny roa hoe :

🔷 ANDRO sy FOTOANA INONA NO METY ?
=> Mba ho andro tsara mety ifaliana : masoandro mibaliaka, jerena sao sanatria andro manorambe maraina parivandro, sao ho tondradrano, sao misy rivodoza, ...

🔷 ANDRO sy FOTOANA INONA NO METY ?
=> Mifanahaka am tonombitan'izy roa : mba hahalavorary ny tokatrano, Haharitra, tsy hikorotandava hiafara am fisarahana, ho ambininy amin'izay ho kasaina, hifanambina ara-bola sy harena, taranaka, ...

Toy izany avokoa ireo zavatra voatanisa tetsy ambony.

🔳 Fanontanina efa nisy nametraka :

Afaka miaraka ve ny fijerena andro sy ny fakana mpitondra fivavahana raha toa ka anangana trano ohatra ?

- Zavatra roa samy hafa mintsy ireo ka tsy tokony hisy ny olana,ary io samy manana ny finoany, ny iray mijery ny fotoana mety ary ny iray manala devoly sy mitsodrano ( ilaina zany).
(Ny mpanandro taloha dia mampiasa fitaovana toy ny : Tsaramaso maro loko, katsaka, vatokely maro loko, ... ; entina anisana andro ireny fa tsy sikidy ratsy na ody gasy ratsy velively)
 
RAHA TOA KA MILA FANAZAVANA FANAMPINY NA MILA FANAMPINA, dia aza misalasala mifandray aminay : SMS, Whatsapp, MP (Facebook), Mailaka. Tsindrio eto
---------------------------
Copyright © by 2NR #Tsiambaratelompiainana
⛔☣🚫 Tandremo, tsy azo adika na atao boky na dia @ ampahany fotsiny ihany aza !!
https://web.facebook.com/tsiambaratelompiainana
(Partagez, zarao raha sitrakao !!)
(Tsidio ny pejy dia ataovy "j'aime" fa ho maro ny zavatra ho hitanao ato !!)
(Ialana tsiny amin'ny tsipelina mety ho diso !!)