Voajanahary eo amin'ny zava-mananaina rehetra ny firaisana ara-nofo, na amin'ny biby izany na amin-tsika olombelona. Lafiny iray mitana toerana lehibe izy io, satria ankoatran'ny fahafinaretan'ny vatana dia io no mahatonga ny zava-mananaina tsy ho mety lany tamingana.
Mila fitandremana be nefa izy io, indrindra fa amintsika olombelona manokana. Tsy hiresaka aretina isika eto, fa ny firaisana ara-nofo izay atao dia misy akony amin'ny ara-panahy ihany koa. Io fanahy io izay mampiavaka antsika olombelona amin'ny zava-mananaina rehetra.
- Betsaka ny olona no mety tsy mahalala izany, na lahy io na vavy, kanefa dia misolosolo sy manao firaisana ara-nofo amin'olona maromaro. Misy aza moa ny an'ny sasany (na lahy io na vavy) rehefa manery ny filàna, dia izay olona hita eny ho eny no anaovana izany. (Mpivaro-tena, sns...)
Rehefa manao firaisana ara-nofo ny olona roa, dia misy rohy mifandray ihany koa eo, misy herim-panahy mifampita : Hery tsara (Énergie positive) sy ny Hery ratsy (Énergie négative).
Fantaro nefa fa ny Hery ratsy (Énergie négative) no mora mifindra kokoa, ary samy hifindrany na ny lahy na ny vavy, fa ny vavy no mora andairany kokoa.
Ohatra raisintsika voalohany :
Misy tovovavy tanora iray, tsara tarehy, tsara bika. Be mpitia izy arak'izany ka miezaka "mikôty" azy ny ankamaroan'ny tovolahy,na ihany koa ny rangahy lehibe mpandraby vola. Rehefa maro ny manao aody ka tsy maharitra dia misy voainy amireo. Mety tsy ho roa tsy ho dimy tsy ho folo fotsiny ohatra, izy rahateo tanora ka manararaotra, fa impiry andalo moa ny fahataranorana hoizy teniny. Atao ny fiainana, ny vola raisina, ...
Fa diniho hoe ireny olona ireny dia mety mitondra "Énergie négative" avy any amin'ny misy azy any, ka dia mety hifatratra ao aminy tsirairay avokoa ireo.
Maro ny vokatra ratsy entin'izany : Mety tsy ho tafiditra anaty fanambadiana, Mety hisy haka vady ihany fa mitsipozipozy na mijaly ampanambadiana, mety tsy ahazo na tsy ahavanona taranaka, sns... Tsy ilay safidy no ratsy fa ny hery ratsy no efa ao.
Ohatra ihany koa :
Mpivady anaty tokantrano. Ny iray na izy roa amin'ireo mampirafy any ivelany. Ilay olona hiarahana any nefa mety ho olona feno ilay "Énergie négative". Mety ho olona bokan-trosa, mety mitsotsoro-bintana, tototrin'ny ozona, misy vorika na mosavy, Na ihany koa sendra tafaraka vadin'olona misy 𝐅𝐈𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 fa tsy nahalala.
Tonga ao an-tokantrano ireo zavadratsy avy eo, satria mifamindra izany indray ireo mpivady. Any ilay tokantrano ka tsy mety tafarina, bokan-trosa, mifofotra mafy manao izay azo atao fa tsy mahomby, findran'ny ozon'olona, miady lava, tsy misy fahasambarana. Raha sanatria ka ilay 𝐅𝐈𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 no azo tany ivelany dia ankoatran'ny tokantrano mikorotan-dava, dia mahatonga tsy fahazoana zaza ihany koa ny 𝐅𝐈𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘, satria io dia TSATOKA ireo ataon'ny tompom-bady. (𝑇𝑠𝑦 ℎ𝑜𝑒 𝑟𝑎ℎ𝑎 𝑠𝑒𝑛𝑑𝑟𝑎 𝑠𝑎𝑛𝑎𝑡𝑟𝑖𝑎 𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑒𝑡𝑦 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑧𝑜 𝑧𝑎𝑧𝑎 𝑎𝑘𝑜𝑟𝑦 𝑑𝑖𝑎 𝑎𝑛𝑑𝑒ℎ𝑎 ℎ𝑖𝑎𝑑𝑦 𝑚𝑖𝑣𝑎𝑑𝑦 ℎ𝑜𝑒 𝑛𝑎𝑚𝑝𝑖𝑟𝑎𝑓𝑦 𝑖𝑧𝑦 𝑎𝑛 ! 𝑓𝑎 𝑎𝑛𝑡𝑜𝑛𝑦 𝑖𝑟𝑎𝑦 𝑎𝑛𝑖𝑠𝑎𝑛𝑦 𝑖𝑜. (𝐸𝑓𝑎 𝑛𝑖𝑠𝑦 𝑎𝑟𝑡𝑖𝑐𝑙𝑒 𝑚𝑎𝑛𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑜𝑚𝑏𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑒𝑡𝑦 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑧𝑜 𝑧𝑎𝑧𝑎 𝑡𝑒𝑡𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑝𝑒𝑗𝑦, 𝑎𝑓𝑎𝑘𝑎 𝑗𝑒𝑟𝑒𝑛𝑎 𝑎𝑛𝑦 𝑎𝑚𝑏𝑎𝑛𝑦 𝑎𝑛𝑦 𝑟𝑎ℎ𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑙𝑖𝑎𝑛𝑎)
Maro ny olana entiny eny amin'ny fiaraha-monina eny, na lahy na vavy, fa ohatra fotsiny ireo nolazaina ireo.
Mila fitandremana be arak'izany ny fanaovana FIRAISANA ARA-NOFO, satria misy akony be amin'ny tontolo ARA-PANAHY. Fantaro fa raha misy olona iray manambola be akory, na hoe manana izay ilaina, dia midika izany fa tsara anaovana firaisana satria sao mba mamindra ny hery tsarany, fa mety ilay hery ratsy avy aminy no tafafindra aminao. Ka sao ianao lasa ilay fitenenana hoe : "Fanariana maloto"